La Gazette de la grande ile

Akom-baovao samihafa / Banky Mondialy : Vonona hanohana an’i Madagasikara hatrany

Publié le 31 mars 2022

Naneho ny fahavononany hanohana an’i Madagasikara amin’ireo fanamafisana ny tetik’asa fampandrosoana ny Banky Mondialy. Tsapan’ny Banky Mondialy tamin’ny alalan’ny tetik’asa “fampifandraisana an’i Madagasikara amin’ny tetik’asa fampiakarana ny tahan’ny harin-karena tsy anavahana na iza na iza” izany, ary dia naneho ny fahavitrihany hanampy hatrany an’i Madagasikara ry zareo Banky Mondialy ka nanolotra vola 200 Tapitrisa dolara indray hanarenana ny lalampirenena faha-31 sy faha-10 mampitohy an’Andranovory amin’ny lalampirenena faha-7 ary isitrahan’i Betioky, Ampanihy, Beloha ary Tsihombe tombony.

  • Raharaha any Iokraina : Tsy nahazo ny  fanohanan’i Chine ny tandrefana

Niezaka tamin’ny fomba rehetra ny handresena lahatra an’i Shina Entim-bahoaka ny Tandrefana tarihin’ny Amerikana mba hanamelohan-dry zareo sinoa ny fanafihana ataon’i Rosia any Iokraina. Tsy nahazo izany hetahetany izany tamin’i Shina anefa ny Tandrefana fa vao mainka nohitrikitrihan’i Shina ireo fihetsika maroloha nataon’ny tandrefana ka nanitsakitsahany ny satan’ny firenena mahaleotena maro, ny fanosihosen’ny tandrefana ny zon’olombnelona tany amin’ny firenena maro, ka nitakian’i Shina mihitsy ny hifonan’ny tandrefana amin’ireny tany nampiziogainy ny mafaitra ireny.

  • Taxi Moto : Vonona hanaiky ny fepetra avy amin’ny CUA

Mivory ara-potoana nanomboka omaly alarobia ny mpanolotsainan’ny tanànan’Antananarivo, izay rafitra mpanapa-kevitra eo anivon’ny fiadidiana ny Tanànan’Antananarivo.  Nanolotra tolo-dalàna tamin’ity Antenimieran’ny tanàna ity ny Fikambanan’ny mpamily kodiaran-droa (moto) ka miangavy ny fankatoavan’ny mpanolotsainan’ny tanàna izany satria maniry ny hiditra eo amin’ny sehatry ny ara-dalàna amin’ny fitaterana (taxi-moto) izy ireo.Nomarihin’ity fikambanana ity fa vonona ny hanaiky sy hanaja ny fepetra hapetraky ny Antenimieran’ny tanàna sy ny mpitantana ny  Renivohitra amin’izany izy ireo ary vonona hiara-miasa amin’ny mpitandro ny fiaminana koa mba hampahomby ny fandrindrana ny fifamoivoizana eto andrenivohitra.

Nangonin’i Soarak

Lire aussi