La Gazette de la grande ile

Fanatsarana ny Renivohitra : Vato misakana ny fifindramonina tsy voafehy

Publié le 31 mars 2022

Ny ben’ny tanàna rehetra nifandimby teto amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra dia samy nanana tanjona ny hanatsara sy hampandroso ny tanàna, anisan’izany ny ben’ny tanàna am-perinasa izay nanao velirano ny hamerina ny hasin’Antananarivo mba tena ho mendrika ny renivohitra, ary tsy ho mena-mitaha amin’ireo renivohitra afrikanina. Ny zavatra hita miharihary anefa dia vaomaika miha ratsy ny endriky ny tanàna noho ny loto sy ny fako, ny fahamaroan’ny mpivarotra amoron-dalana izay efa tena mampiteny ny moana, fa eo koa ny gaboraraka ny baranahiny miseho amin’ny endrika maro samihafa. Antony iray lehibe tena mahatonga izany trangan-javatra rehetra izany moa ny fitomboan’ny mponina haingana be loatra noho ny fifindramonina tsy voafehy izay lasa sakana lehibe tsy afahana manatsara na mampandroso ny Renivohitra.

Raha ny atontan’isa nivoaka tao anatin’ilay fanisam-bahoaka faobe farany natao teto Madagasikara (RGPH-3) izay natao tamin’ny taona 2018, dia mahatratra roa hetsy sy telo tapitrisa ny isan’ny mponina eto amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ireo kaominina rehetra manodidina azy. Efa tena be loatra izany tarehimarika izany raha ny firafitry ny tanàna kanefa raha ny fantatra dia mitombo iray hetsy isan-taona ny mponina eto Andrenivohitra noho ny fahamaroan’ireo mpifindra monina eto, ao anatin’izany ny avy any amin’ny Faritra hafa sy ny avy any ambanivohitra. Raha izao no mitohy, afaka telo na efa-taona eo dia ho tafakatra efatra tapitrisa ny isan’ny mponina eto Antananarivo izay vaomaika hiteraka olana goavana mety ahitam-bahaolana intsony. Tsara anefa ny manamarika fa ny fahamaroan’ny mponina be loatra eto amin’ity renivohitr’i Madagasikara ity no anisany tena fositry ny  olana rehetra, raha tsy hiresaka afa-tsy

ny loto sy ny fako, ny tsy

fandriampahalemana, ny fahamaroan’ny mpivarotra amoron-dalana, ny fitohanan’ny fiara be loatra, sns sns. Midika izany fa na iza na iza ben’ny tanàna eo dia tsy hisy fahatsarana mihintsy eto Antananarivo raha mbola tsy voafehy io fitombon’ny mponina io.

F.Tsihiavonana

Lire aussi