La Gazette de la grande ile

Adim-piainana : Maro ny vehivavy lasa mivarotena

Publié le 28 avril 2022

Tao anatin’ireo fitondrana nifandimby dia nitombo hatrany ny isan’ireo mpivarotena eto amintsika, na eto Andrenivohitra na any amin’ny Farintany. Tsy nitsahatra nitombo mihintsy anefa ny isan’izy ireo satria mitotongana hatrany ny fari-piainan’ny mponina, miha-mahantra ny firenena, ary mbola nanampy trotraka izany ny fisian’ny valan’aretina Covid-19, nanomboka ny fiandohan’ny taona 2020.

Ankaotra ny fivarotana amoron-dalana, ny taxi-moto sy ny taxi-bisikileta, dia tsy am-pisalasalàna no ilazàna fa anisany tena nirongatra ihany koa tato anatin’ny taona vitsy ny mpivarotena. Tsy mitovy tamin’ny zava-nisy tany amin’ny folo taona lasa intsony ny fomba fivarotan-tena eto amintsika, ankehitriny, fa lasa miseho amin’ny endriny samihafa. Mazava ho azy fa ny fahantrana, ny fahasarotam-piainana ary ny tsy fisian’ny asa no tena mampirongatra ny mpivarotena eto amintsika. Maro amin’ny tovovavy malagasy no lasa mirona amin’izany asa mamoafady izany mba afahana mihatrika ny adim-piainana izay hiarahan’ny rehetra mahita fa miha-mafy hatrany.

Ny endrika fivarotan-tena nisy hatramin’izay moa iny mbola eo foana ary mitombo isa isan’andro, izany hoe ny fijorojoroana eny amin’ny sisin-dalana miandry mpanjifa, fa ny tena hita ho nahazo vahana tato anatin’ny taona vitsy dia ny fivarotan-tena amin’ny tambazotran-tserasera sôsialy, indrindra fa ny Facebook. Tsy voaisa intsony ankehitriny ny isan’ireo vondrona (groupe) na natokana ho amin’izany ao anatin’ny Facebook, ary ny ankamaroan’ireo vondrona ireo no ahitàna mpikambana an’aliny. Ireo tovovavy vao miditra amin’io sehatry ny fivarotan-tena io moa no tena mampiasa ny tambazotra sôsialy noho ny henatra sy ny tahotra ny fiarahamonina. 20.000 ariary ka hatramin’ny 100.000 ariary ny sarany ho an’ireo any anaty Facebook, miankina amin’ny faharetana sy ny endriky ny firaisana ara-nofo tadiavin’ny mpanjifa. Ho an’ireo mpijorojoro eny amoron-dalana kosa dia eo amin’ny 3.000 ariary ka hatramin’ny 50.000 ariary ny sarany.

Tsara marihana fa tsy ny vehivavy ihany fa ny lehilahy koa aza dia maro lasa mirona amin’ny fivarotan-tena amin’izao fotoana noho ny adim-piainana. Misy no mivarotena amin’ny vehivavy efa nahazoazo taona, na ilay antsoina amin’ny fiteny frantsay hoe manao “gigolo”, fa betsaka ihany koa anefa no mampanofa ny tenany amin’ny lehilahy ihany, ary saika tovolahy tanora kely daholo ny ankamaroan’ireo manao izany. Any anatin’ireny toerana fisotroana sy karaoke ireny moa tena ahitàna azy ireo, fa maro koa no mitady mpanjifa any anaty tambazotran-tserasera sôsialy.

F.Tsihiavonana

Lire aussi