La Gazette de la grande ile

AKOM-BAOVAO SAMIHAFA

Publié le 29 avril 2022

Vondron’ny orinasa GEM

Hikatsaka vahaolana anio

Tsy tara tamin’ny fampiakarana karaman’ny mpiasa tsy miankina 9,9% nanomboka ny volana Aprily teo ny orinasan’ny mpandraharaha mivondrona ao amin’ny GEM (Groupement des Entreprises de Madagascar). Voahajan ‘izy ireo ny karama farany ambany 200.000 ariary tamin’ireompiasa tsy miankina, izay misoratra ara-dalàna.Hihaona aminn’y filohampirenena ny filohan’ny GEM ,Thierry Rajaona anio eny amin’ny lapam-panjakana Iavloha , nambarany fa ny tontolon’ny asa fandraharana eto Madagasikara efa nikatsaham-bahaolana hatramin’izay no anisany hifampidinihana miaraka.

 

Tafika an’habakabaka

61 taona omaly

Nisokatra omaly alakamisy tamin’ny fomba ofisialy tany amin’ny foiben’ny Base 213 Arivonimamo ny fankalazana ny faha 61 taonan’ny tafika an’habakabaka, notarihan’ny praiministra Ntsay Christian sady nisolotena ny filohampirenena kao. Fanamby lehibe hoy hatrany izy ny fijoroana ary ny mbola hanohizana ny ezaka hatrany , na dia maro aza no efa vita. Izany dia antoky ny fametrahana ny fandriampahalemana ho tombotsoan’ny firenena sy ny vahoaka malagasy.

 

Mpiasan’ny QMM –Taolagnaro

Nataon’ny mponina takalon’aina

200 mahery ny isan’ireo mponina sorena amin’ny tsy fandraisan’ny tompon’andraikitra ao amin’ny orinasa QMM Taolagnao ny 25 aprily lasa teo. Nataon’izy ireo takalon’aina ny mpiasa maherin’ny 700 tamin’ny alalan’ny fanakanan-dalana ka tsy nahafahan’ireo mpiasan’ny QMM hamonjy ny fodiany. Anton’izany, ny mbola nahitan’ireo mponina mipetraka manodidina ny orinasa ny fahafatesana trondro vokatry ny akora simika mihanaka ny 12 martsa 2022. Omaly alakamisy maraina vao afaka namonjy ny tokantrano ireo mpiasa nataon’ireo mponina takalon’aina.

Nangonon’i Soarak

Lire aussi