La Gazette de la grande ile

Areti-mandringana : Mananontanona indray ny kitrotro

Publié le 29 avril 2022

Tsy mbola tafarina tamin’ny voka-dratsy nateraky ny tsimok’aretina Coronavirus izao tontolo izao dia fantatra ankehitriny fa mananontanona ny zanak’olombelona indray ny ho fihanahan’ny aretina Kitrotro, izay areti-mandringana. Ny Covid 19 moa tsy mbola foana fa mbola miara-monina amin’ny zanak’olombelona any anivon’ny fiaraha-monina rehetra any.

Araka ny voka-panadihadiana dia tao anatin’ny telo taona izao, nandritra ny famelezan’ny Covid 19 dia zary niantona na nohamaivanina na notsinontsinoavina ny fiahiana sy fikarakarana ny zanak’olombelona tamin’ny valan’aretina hafa. Na ny vakisiny fanefitra na ny fanentanana ho fisorohana na ny fitsaboana ny aretina hafa dia zary nampandeferina. Vokatr’izany dia zary nahazo aina ny areti-mandoza hafa, ka isan’ireny ny kitrotro.

Efa mananika n 512 tapitrisa ny olona voan’ny kitrotro maneran-tany tato ho ato ary 6.230.000 no maty, hoy ny antontan’isan’ny Rafitry ny Firenena Mikambana miahy ny fahasalamana na “OMS”.

Manaitra izao tontolo izao io rafitry ny Firenena Mikambana “OMS” io, miaraka amin’ny Rafitra miahy ny ankizy na ny “Unicef” fa tombanana ho tafakatra hatramin’ny 80% -n’ny mponina maneran-tany no ho voan’ny kitrotro, ka mitaky fandraisana fepetra haingana izany. Hatreto aloha dia ny fanentanana amin’ny fampanaovana vakisiny fanefitra no tokony himasoan’ny rehetra, indrindra fa ny ankizy. Voamarika koa izany izao fa “na efa vita vakisiny fanefitra aza dia mety mbola ho voany”. Ny fisorohana indray aloha hatreto ho an’ny efa vita vakisiny dia tsy voamariky ny Sampan’ny Firenena Mikambana miahy ny Fahasalamana na “OMS”.

Dia manentana avy hatrany ny manam-pahaizana Malagasy indray koa izany mba hikaon-doha ka hikaroka ny fomba sy ny fanefitra manokana, eny ny fanafody fanasitranana ny Kitrotro , toy ny ezaka nataon’ny manam-pahaizana sy ny mpikaroka Malagasy tamin’ny nahitana ny fanafodin’ny Covid 19.

Tsimba

Lire aussi