La Gazette de la grande ile

Fifamoivoizana eny Anosizato : Manamafy ny fitohanana ny mpitandro filaminana

Publié le 29 avril 2022

Iray amin’ireo faritra tena hanjakan’ny fitohanan’ny fiara eto Andrenivohitra ny eny Anosizato sy ny manodidina. Tsy mahagaga raha tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny fitondrana mijoro ankehitriny ny fametrahana lalana miantona (Fly over) eny an-toerana satria tena mampiteny ny moana ny fitohanan’ny fiara eny amin’iny faritra iny rehefa maraina sy hariva. Efa ela moa no nametraka vahaolana hisorohana izany ny polisy sy ny zandary mandrindra ny fifamoivoizana eny an-toerana, saingy ankehitriny dia hita miharihary fa vaomaika manampy trotraka ny fitohanan’ny fiara io vahaolana napetraky ny mpitandro filaminana io.

Fandaminana napetraky ny mpitandro filaminana mba hisorohana izay fitohanana izay rehefa maraina ny fanajanonana tanteraka ny fifamoivoizan’ny fiara avy any Anosibe, Fasankarana sy Anosipatrana mandritra ny minitra maromaro ka ireo fiara avy any andrefana, izany hoe ny avy any Ampitatafika no alefa manao “sens unique” amin’iny lalam-pirenena voalohany iny. Isaky ny ora iray, manomboka amin’ny 7 ora maraina no mampihatra izany fandaminana izany sy zandary sy ny polisy eny an-toerana. Ny zava-misy anefa dia ireo fiara avy any amin’ny ilany andrefan’Antananarivo no mahazo tombony amin’izany fa ireo avy aty Anosibe, Anosipatrana sy Fasankarana kosa dia mitohana izay tsy izy ny fifamoivoizana ka mampitaraina ireo mpitondra fiara.

Manomboka eny Anosizato ka hatreny Anosibe sy Fasankarana ny fitohanan’ny fiara amin’ny maraina noho io fandaminana hapetraky ny mpitandro filaminana io. Mazava noho izany tsy vahaolana mihintsy no ataon’ny zandary sy polisy fa vaomaika manamafy ny fitohanan’ny fifamoivoizana amin’ny ankapobeany. Tokana ihany moa ny vahaolana hiadiana amin’ny fitohanana eny amin’ny faritra iny dia ny fametrahana ny “fly over” eo Anosizato izay tafiditra ao anatin’ny veliranon’ny filoham-pirenena. Mandrak’ity anefa ny androany, tsy mbola fantatra mihintsy hoe rahoviana no hanomboka io tetikasa io.

F.Tsihiavonana

Lire aussi