La Gazette de la grande ile

Fisolokiana amin’ny Internet : Misy mampiasa ny anaran’ny minisitry ny toekarena

Publié le 29 avril 2022

Lasa fitaovana fampiasan’ireo mpisoloky amin’izao fotoana ny Internet ka mila mailo ireo mpampiasa izany. Namoaka filazana ny avy eo anivon’ny ministeran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola, omaly, nampitandrina ny be sy ny maro manoloana ny fisian’ny fisolokiana any anaty Mailaka (Mail) izay mampiasa ny anaran’ny minisitra Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison. Araka ny filazana nataon’ny serasera eo anivon’ny ministeran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola, dia misy mpisoloky no mandefa Mailaka amin’ny olona maro izay misandoka mampiasa ny anaran’ity ministera ity sy ny GEN (Global Entrepreneurship Network). Milaza ho manohana ara-bola ireo mpandraharaha madinika maniry ny hanangana orinasa ny mailaka alefan’ireo mpisoloky fa misy ny vola takian’izy ireo. Manoloana izany moa dia efa mandray ny andraikiny ny ministera voakasika mba afahana manenjika ireo tompon’antoka amin’izany.

F.T

Lire aussi