La Gazette de la grande ile

BEPC : Olana sahady ny fanomanana ny fanadinana

Publié le 29 avril 2022

Omaly alakamisy faha 28 aprily 2022 tamin’ny 10 ora maraina dia nanao fihetsiketsehana teo anoloan’ny ministeran’ny fampianarana tetsy Anosy ny mpampianatra 60 mahery avy amin’ny faritra 23. Tonga teto Antananarivo tamin’ny asabotsy faha 23 aprily 2022 teo izy ireo. Hikarakara ny laza adina ny fanadinana BEPC no nanafaran’ny ministera azy. Araka ny voalazan’izy ireo dia ny sekretera jeneraly ny ministeran’ny fampianarana no nanafatra azy ireo. Voalaza fa iatohan’ny ministeran’ny fampianarana avokoa ny saran-dàlana sy ny sakafo ary ny trano mandritrin’ny hanatanterahana ny asa aty Antananarivo.

Tokony hanomboka tamin’ny alatsinainy faha 25 aprily 2022 ny asan’izy ireo, nefa tsy tanteraka izany hatramin’ny alakamisy 28 aprily 2022. Tsy fantatra izay antony. Tsy nisy intsony ny sakafo nomena ireo mpampianatra ireo. Tsy mety mandray ireto mpampianatra ireto ny tompon’andraikitra ao amin’ny ministera omaly. Nosakan’ny solontenan’ny ministera tsy hiditra hoany amin’ny lehibeny ireo mpampianatra ireo. Baiko avy any amin’ny SG fa tsy mahazo miditra ao amin’ny ministera ireto mpampianatra ireto. Nolazaina koa fa afaka mody izay tsy te handray anjara. Nohidina ny vavahady-be mba tsy hahazoan’ireto mpampianatra ireto miditra ao amin’ny ministera.

Mbola mitaky ny fandoavana ny tambikarama ( vacation) ny fanadinana izay tsy azo nandritry ny taona roa koa ankilan’izany ny mpampianatra nandray anjara tamin’izany tamin’ny fanadinana ofisialy rehetra teto Madagasikara. Ho gidragidra ity fanadinana ity raha tsy voavaha ny olana. Hita taratra koa fa tsy voafehin’ny tompon’andraikitr’ity ministera ity ny asany ao amin’ny ministera ity.

Randriambe Jesy Rabelaolao

Lire aussi