La Gazette de la grande ile

Raholdina Betaintsofina : Jiolahimboton’ny fitondrana

Publié le 06 mai 2022

Raha misy ny mpanao politika tena mpiady aman’olona ary mihevitra ny tenany ho tena mafy tsy azo atao na inona na inona dia voalohany ny depiote voafidy teny amin’ny boriboritany faha-5, Naivo Raholdina, fantatra amin’ny anaram-bositra hoe « Betaintsofina ». Ankaotra ny olon-tsotra iadiavany amina resaka ady tany, dia anisan’ireo efa niady tamin’ity depiote ity ihany koa ny filohan’ny fikambanana Hafari malagasy Jean Nirina Rafanomezantsoa, ny depiote voafidy tany Betroka Nicolas Randrianasolo, ny mpiandry parking eny amin’ny ministeran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola eny Antaninarenina, ary ankehitriny dia mamaky ady amin’ny mpanao gazety sy ny filohan’ny sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara (SMM) indray ny tenany. Tsiahivina fa tamin’ny taon-dasa dia efa namoaka fanambarana nitaky ny hanasaziana azy koa ny fikambanan’ny vaditany eto amintsika rehefa nanitsakitsaka sy nanao tsinontsinona vaditany iray teny Ankorondrano i Betaintsofina.

Tsy mahagaga raha tsy misaraka amin’ny basy mihintsy ity solombavambahoaka ity na aiza na aiza toerana alehany na eny amin’ny boriboritany nahalany azy aza satria be fahavalo loatra izy eto amin’ny firenena. Azo ambara fa jiolahimboton’ny fitondrana mijoro ankehitriny i Naivo Raholdina noho izay toetrany tia miady aman’olona izay. Na eo amin’ny fitondran-tena aza dia tsy mifanalavitra amin’ireo jiolahimboto eny ambany tanàna mihintsy ny toetrany noho izy be teny ratsy, tia manangan-tsandry aman’olona, fa eo koa ny fandrahonana mpanao gazety ho faty tahaka izay mahazo ny mpiasa ato amin’ny La Gazette de la Grande Ile. Ankaotra ny disadisa misy amin’ny sendikan’ny mpitsara sy tenany amin’izao, dia mamaky ady amin’ny mpanao gazety koa ny depiote Naivo Raholdina, ankehitriny. Araka ny fantatra mantsy dia nitory mpanao gazety maromaro eny amin’ny PAC (Pole anti-corruption) ihany koa i Betaintsofina ka anisan’izany ny mpanao gazety ato amin’ny La Gazette de la Grande ile. Ireo mpanao gazety ireo izay lazainy fa manao kolikoly satria nandray vola tany amin’i Raissa Razaivola hono, tamin’ilay raharaha ady tany teny Fenoarivo Alakamisy.

Tsy zakan’ity depiote ity mihintsy mantsy ny fisian’ireo mpanao gazety niresaka ity raharaha ity ka tsy niaro ireo mpandova namany izay naiditra am-ponja vonjimaika tamin’izany fotoana. Tsiahivina fa nitety haino aman-jery maromaro teto Andrenivohitra mihintsy i Betaintsofina, niaro ireo mpandova naiditra am-ponja vonjimaika. Ireo mpanao gazety rehetra nanohitra azy dia nolazainy fa mpanao kolikoly avokoa ka izao notoriany eny amin’ny PAC izao. Izany rehetra izany no mbola ilazàna fa jiolahimboton’ity fitondrana mijoro ity i Naivo Raholdina tsy ampy refy sy maimbo vava satria tapitra hiadiavany daholo ny olon-drehetra.

La Gazette

Lire aussi