La Gazette de la grande ile

Vidim-piainana : Tsy raharahin’ireo parlemantera

Publié le 06 mai 2022

Nisokatra ny talata lasa teo ny fivoriana ara-potoana voalohany ho an’ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimierandoholona. Maromaro moa ny volavolan-dalàna sy tolo-dalàna ho dinihana mandritra ny fivoriana izay haharitra roa volana, saingy hatreto aloha dia tsy tafiditra ao anatin’ny lahadinika ho dinihana amin’izao fiandohan’ny fivoriana ara-potoana izao mihintsy ny resaka vidim-piainana izay tena mampikaikaika ny vahoaka, na ny eny amin’ny Antenimieram-pirenena na ny eny Antenimierandoholona. Raha tena solombavambahoaka marina ary mikatsaka izay mahasoa ny monina ireo parlemantera dia io resaka vidim-piainana io aloha no tokony dinihana sy hitadiavana vahaolana.

 

 

 

F.T

Lire aussi