La Gazette de la grande ile

Publié le 11 mai 2022

Ambositra

Mahazo vahana ny fanolanana zaza

Nanomboka ny faha 3 may teo ka hiafara amin’ny faha 12 may 2022 ny fitsara ny ady heloka bevava na CCO

( Cour riminal ordinaire). Ny mpitsara avy any Fianarantsoa no tonga manantanteraka izany fitsarana izany. 25% ny raharaha amin’izany dia malakasika ny fanolanana zaza. Misy ny aolan’ny rainy sna ny havany ary misy no olona hafa avy any ivelany mihitsy no manao izany. Antontan-taratasy miisa 30 no tsarina ka ny 6 amin’ireo no mahakasika ny fanolalala avokoa. Mbola tsy ao anatin’io ny olona izay mbola tsy ao anatin’ny CCO izao.

Efa ahitana kidnapping koa ny fitsarana manokana ity izay zavatra tsy dia fahita loatra any amin’ny faritra iny. Hatramin’ny fanampoizinana sy ny famonoana olona koa dia hita ao amin’ity fitsarana manokana atao ao Ambositra . Ny fitsarana ao Ambositra dia miandraikitra ny fitsarana ao amin’ny  faritra Amoron’i Mania manontolo.

RJB

Antananarivo

Mirongatra ny mpitory teny  mangataka eny an-dalana

Ankaotra ny fiangonana sekta izay maniry ohatry ny anana eto amin’ny firenena dia mitombo isa isan’andro koa ny olona mpitory teny eny an-dalana, indrindra fa ny eto Andrenivohitra. Zavatra efa fahita hatramin’izay eto amin’ny firenena io, saingy hita sy tsikaritra fa tena nirongatra izay tsy izy tao anatin’izao fitondrana izao. Somary miova endrika kosa izany ankehitriny satria raha olona mitory teny fotsiny no hita tany aloha, dia lasa mangata-bola ny ankamaroan’izy ireo amin’izao fotoana ary mitety tanàna mihintsy. Mazava ho azy fa ny fahasarotan’ny fiainana sy ny fahantrana misy eto amin’ny firenena no antony tena mahatonga izany fa tsy tonga ho azy akory.

FT

Lire aussi