La Gazette de la grande ile

Fiainana : Hay ve biby ny Malagasy !

Publié le 11 mai 2022

Tena voaporofo izao fa tena biby fiainana ny Malagasy ankehitriny. Milaza miara mahita isika amin’ny fanambarana isan-karazany momba ny fanolanana zazakely eto Madagasikara amin’izao fotoana izao.

Eran’ny faritra maro dia mahazo laka ny fanolanana zaza. Zazavavy 6 taona ny iray voalohany  ary 7 taona ny faharoa no samy voaolana tany amin’ny distrikan’i Mandritsara ary mbola ao amin’ny hopitaly izao. Tany Tsaratanana any amin’ny faritra Betsiboka, mahazo ny faritra Alaotra Mangoro dia nahitana trangan’ny fanolanana sy famonoana olona matetika ny taona 2021-2022 ity. Izany dia miampy irony fankana ankeriny irony. Tsy vitan’izany fa mbola miampy doro-trano sy fandrobana ny entan’ireo ray amandrenin’ny zaza koa.

Ny teto Antananarivo sy ny manodidina dia isan’andro no ahitana fanolanana ao amin’ny fitsarana ao. Hatramin’ny pasteran’ny sekta avy manolana zaza amin’izao fotoana izao. Zava-doza farany nitranga dia ny ray iray nanambady ny zanany nandritry ny 12 taona tany Soavinandriana Itasy. Efa niteraka telo ity zanany ity amin’izao fotoana izao.

Mahazo vahana ao amin’ny fitsarana ao Toamasina ao  ny fanolanana zaza any Ambatondrazaka. Hatrany amin’ny 20 isan-taona no zaza voalolan’ny rainy any amin’ity distrika ity tao anatin’ny taona maromaro izao.

Fantatra koa ankehitriny fa misy ny fanolanana lehilahy kely. Ny sampan-draharaha miadidy ny SIDA ao amin’ny ministeran’ny fahasalamana dia nanambara tamin’ny herinandro lasa iny fa miha mitombo ny olona voan’ity aretina ity ka ny firaisan’ny lehilahy samy lehilahy no tena anton’izany.

Tena biby fiainana ny Malagasy ankehitriny raha ny zava-misy amin’ity fanolanana zaza ity. Be loatra ny fanolanana ataon’ny rainy amin’ny zanany vavy. Isan’ny mampirongatra azy ity ny “facebook” sy ny sary mihetsika mamoafady mandeha any amin’ny televizionina. Toa izany koa ny fiparitahan’ny rongony. Tovolahy iray teo Ampasika Antananarivo no nanolana ny zanany vavy ary novoniny avy eo ny volana aprily 2022 iny. Izany dia noho ny rongony vahiny “cocaine” izay miparitaka be eto Madagasikara.

Randriambe Jesy Rabelaolao

Lire aussi