La Gazette de la grande ile

Lalana eny Andohatapenaka : Tsy raharahin’ny Fanjakana ilay lavaka be

Publié le 18 mai 2022

Mampitaraina ireo mpampiasa ny fifamoivoizana eny Andohatapenaka ny fahasimban’ny lalana eny an-toerana. Efa ho herintaona mahery mantsy izay dia misy lavaka be ny arabe afaka kely ny vatobe eny 67 ha, saingy mandraka ity ny androany tsy misy fanamboarana mihintsy, tsy raharahin’ny Fanjakana na ny governoran’Analamanga izay miandraikitra ny fanamboaran-dalana eny 67 ha sy ny manodidina. Efa manangona rano maloto anefa io lavaka io, ankehitriny, ary miteraka fitohanana tsy hifankahitana. Rehefa niroso tamin’ny fanamboaran-dalana ny Faritra Analamanga dia tokony natao laharam-pamehana ity lalana eny amin’ny vatobe 67 ha mihazo an’Andohatapenaka ity satria maro ny fiara mivezivezy amin’izany, raha tsy hiteny fotsiny ny taxibe zotra D izay mampitohy ny Renivohitra sy ny distrikan’Ambohidratrimo iray manontolo.

F.T

Lire aussi