La Gazette de la grande ile

Fanovana fiantsonana vonjy maika : Hihena ny fitohanana lavareny

Publié le 18 mai 2022

Foana tanteraka ny fiantsonan’ireo fitateram-bahoaka nampimenomenona ny mpampiasa lalana mihazo an’Ambohijatovo raha hizotra ho an’ny Analakely na Antaninarenina, na Anosy, maharitra ora maro izany, indraindray  koa  ny tsy fahaizan’ny mpitandro filaminana mandrindra ny fifandimbiasan’ny fiara midina no antony fitohanana, matetika fiara folo monja isaky ny mandeha. Efa vita ny andrana izay nataon’ny tompon’andraikitra ny alahady 15 may tamin’ny dimy ora hariva , ka hihatra  ny fampiharana ny naoty hivoaka manomboka hatreo.

Hihatra manomboka ny 22 may izao ny fanovana ny fiantsonan’ireo fiara fitateram-bahoaka zotra 119, 147, 178, 147 D, 161, 162, 191. Hiantsona ao ambadiky ny fivarotam-boky ny fijanonana tsy maharitra ho azy rehetra ireo. Mbola hisy ny fandaminana ny lalan-jotra ho an’ireo fitateram-bahoaka ireo mialohan’ny 22 may 2022 araka  ny nambaran’ny talen’ny  monisipaly Ainanirina Albert Estel. Ho fanamorana ny tsy hisian’ny fitohanana maharitra no anton’io fandaminana io.

Soarak

Lire aussi