Publié le 19 mai 2022
Tsy niombonan’ny mpamboly lavanilina rehetra ny namaritana ny tetiandro fisokafan’ny fiotazana lavanilina maitso, avy ao amin’ny minisiteran’ny fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra. Nisokatra ny 16 may tany Ambanja ny taom-piotazana azy. Ao amin’ny Faritra Diana, Alaotra Mangoro, Sofia, Atsinanana, Analanjirofo, Atsimo Atsinanana, Vatovavy ary Fitovinany ny faritra hanomboka ny fiotazana azy. Hita tsy mifanaraka amin’ny Faritra voalaza ny daty nivoaka. Tokony hojerena eny ifotony ny fandrindrana izany hifanaraka amin’ny toetoetry ny faritra sy ny fepetra isan-karazany tokony hotsinjovina., dia ny tsy hidirana fatiantoka eo amin’ny samy mpamboly na mety hiteraka lonilony ara-piaraha-monina indray.
Soarak