La Gazette de la grande ile

Digin’i Fenoarivo : Tsy misy jiro intsony na iray aza

Publié le 19 mai 2022

Mirongatra izay tsy izy amin’izao fotoana ny fangalarana ny fananana iombonana eto Andrenivohitra. Anisany tena lasibatra amin’izany ny takela-by sy ny jiro eny amin’ny arabe, raha tsy hiesaka fotsiny ny zava-miseho eny amin’ny Rocade d’Iarivo izay vao nisokatra tamin’ny taon-dasa. Lasibatry ny halatra Jiro sy Panneau solaire ihany koa ny eny amin’ny digin’i Fenoarivo, ary tsy vao izao no nitrangan’izany fa efa nandritra ny taona maro. Ankehitriny moa dia tapitra lasan’ny mpangalatra daholo ny jiro eny amin’ity digy mampitohy an’Ampitatafika sy Fenoarivo ity ka maizina tanteraka ny lalana amin’ny alina, tsy misy andrin-jiro mitondra hazavana intsony na iray aza. Trangan-javatra izay mampirongatra ny fanendahana eny an-toerana vao maizina ny andro.

F.T

Lire aussi