La Gazette de la grande ile

Inty sy Nday

Publié le 19 mai 2022

93 taona ny « Madagasikara an’ny malagasy »

Vaninandro iray tsy azo kosehina eo amin’ny tantaran’ny firenena malagasy ny faha-19 May 1929. Feno 93 taona katroka anio alakamisy izany vaninandro izany. Tsy dia re firy ny fanamarihana an’io vaninandro io nefa dia goavana ny fotokevitra nivoitra tamin’izany. Ny Hetsi-bahoaka tamin’ny faha-19 may 1929 no nitenenana voalohany teto Madagasikara ny hoe « Madagasikara an’ny Malagasy ». Fa inona angaha, hoy ianao no nitranga tamin’izany ?

Vanim-potoana nampahamaivay ny afom-pitiavan-tanindrazana tao anatin’ny vahoaka malagasy izany taona 1929 izany. Voaroban’ny mpanani-bohitra frantsay mantsy ny fiandrianam-pirenena malagasy ary nohandevozin’ny mpanjanatany ny malagasy ka nijoro mba hamerenana ny fiandrianam-pirenena sy hamongorana ny fanandevozana ny malagasy.

Ny faha-19 May 1929 dia nisy ny valan-dresaka nataon’ny vazaha mpanjanaka tetsy amin’ny trano fijerena sarimihetsika « Excelsor » etsy Andohan’Analakely (Cinema Ritz amin’izao fotoana). Tafiditra tao avokoa ny vahiny frantsay sy ny malagasy mizaka ny zom-pirenena frantsay (vazaha taratasy). Marobe ny malagasy tsy manana an’io taratasy izakana ny zom-pirenena frantsay io no tonga teny, nangetaheta hiditra handray anjara tamin’ilay valan-dresaka, nefa tsy nomena alalana niditra tao. Tampoka teo anefa, nisy vazaha vavy iray niaraka tamin’ny alikany, ka afaka niditra tsy nisy sakana na olana. Tafiditra koa ny alikany. Nahatezitra ny malagasy marobe teo ivelany izay tsy nahazo niditra izany endri-javatra izany ka raikitra teo ny fifanentanana satria hoe « manasokajy ny malagasy ho ambany noho ny alika ry zareo frantsay ». Dia nitandahatra niazo ny toeram-piasan’ny Governora Jeneraly teny Ambohitsorohitra ny malagasy teo, ary nitondra sora-baventy, araka izay hitany ka nahafahany nanao izany (lamba fitafy, baoritra…). Ny ankamaroan’ny sora-baventy dia « fitakiana fahafahana » fa ny isan’ny goavana sy nanaitra dia ny fisian’ny sora-baventy maromaro nisoratra hoe « Madagasikara an’ny malagasy ».

Nanomboka teo dia zary hiakam-pitoloman’ny malagasy mitaky ny fiandrianam-pirenena io hoe « Madagasikara an’ny malagasy » io. Tena fientanana tsy nomanina ary tsy nisy fikarakara mialoha no nitranga tamin’izany nefa dia sady nilamina no nahabe voninahitra ny malagasy satria fahasahiana goavana ny fitenenana « fahafahana » sy « Madagasikara an’ny Malagasy » tamin’izany.

Tsetsatsetsa tsy aritra no anipihana fa izay  foto-kevitra nipololotra tao ambavan’ny malagasy tamin’ny faha-19 may 1929 izay dia voasokajin’ny tia tanindrazana ho «miotrika » ao anatin’ny malagasy, ary izay no novelomina ka nahatonga ny fijoroan’ny Fikambanana Otrikafo taty amin’ny taona 1997. Ny antony dia ilay afo niotrika tao ampon’ny malagasy hatramin’ny 19 May 1929 no mbola manetsika ny vahoaka hikatsaka ny fiverenan’ny fiandrianampirenena sy ny tena fahaleovantenany.

Ny marina aloha, ary iaraha-miaina sy mahatsapa izany dia tsy mbola an’ny Malagasy i Madagasikara amin’izao fotoana. Porofoin’ny fangejan’ny vahiny ny toekarena malagasy izany, ary izay no mahatonga an-dry zareo handroba ny harena misy eto. Gejain’ny vahiny ny olona sasany mitana ny fahefam-panjakana nandritra ny 62 taona nilazana an’i Madagasikara fa mahaleotena ( ???). Miankin-doha tanteraka amin’ny vahiny ny mpitondra nifandimby teto, ka hatramin’ny fananganana lava-piringa no iandrasana vahiny. Tsarovana ny 19 May 1929 fa tsarovana ho fanoitran’ny fijoroana hiaro ny fiandrianampirenena.

Tohanana

Lire aussi