Publié le 19 mai 2022
Arakaraka ny nanaovana tolom-bahoaka teto Madagasikara no nampahantra ny vahoaka Malagasy.Tsy nahitana vokany ny tolona nataon’ny Menalanba sy ny Sadiavahy tamin’ny voalohan’ny fanjanahantany. Maro no nanao fihetsiketsehan teto Madagasikara ho fanavotana azy izay. Tsy nisy nampiadana ny Malagasy izany fa voamaika nitarika fahantrana hatrany. Isan’izany ny nataon’ny VVS (vy vato sakelika) sy ny MDRM ( Mouvement démocratisque pour la rénovation de Madagascar). Olona marobe no maty tamin’izany fa tsy hita izay vokany. Toa manome rariny ny PADESM (parti des déshérités de Madagascar) izay notarihin’i Tsiranana Philibert izany tamin’ny andron’ny fanjanahantany.
Ny tolom-bahoaka tamin’ny taona 1972 dia very maina koa satria tena lasa nampitotongana ny fandrosoana sy nitarika fahantrana lalina amin’izao fotoana izao. Voamaika naletikin’ny tolom-bahoaka tamin’ny taona 1991 ny fiainam-pirenena. Zava-doza ny akon’ny tolom-bahoka nataon’ny FFKM fimbonan’ny fiangonana kristianina eto Madagasikara ary Ravalomanana Marc sy Ratsirahonana Norbert Lala tamin’ny 2001-2002 izay naharitra iray taona. Tsy nitondra inona hoan’ny Malagasy koa ny fanovana izay tamin’ny taona 2009.
Izy rehetra ireny dia nampanenina avokoa. Tsy nisy vokany hoan’ny vahoka fa voa maika nandetika azy. Potika ny firenena Malagasy noho ny tolom-bahoaka. Matetika izy ireny no nivaona rehefa nahazo toerana izay nitarika azy ireny. Diniho tsara ange ny zavatra nisy teto e. Matimaty foana ireo olona tamin’ireny fotoana ireny. Faly mametraka tsangambato fotsiny.
Rjb