La Gazette de la grande ile

Minisitry ny fanabeazam-pirenena : Manao propagandy ho an’ny filoha sahady !

Publié le 23 mai 2022

Nandritra ny fitokanana ny EPP manara-penitra tany Ihosy, ny sabotsy lasa teo, no nanambara ny minisitry ny fanabeazam-pirenena Marie Michelle Sahondrarimalala tao anatin’ny lahateny nataony fa  mbola tokony hilatsaka hofidiana amin’ny fifidianana manaraka ny filoha am-perinasa satria betsaka ny zava-bitan’ny fitondrana mijoro ankehitriny. Ankaotran’i Lalatiana Rakotondrazafy na i Mama sôsy izay efa hatrany amboalohany no manao fampielezan-kevitra ho an’ny filoham-pirenena, dia miditra an-tsehatra amin’izany koa ny minisitry ny fanabeazam-pirenena, ankehitriny, ary inoana fa hanao tahaka izany daholo ireo mpikambana rehetra eo anivon’ny governemanta rehefa mitety Faritra mandrapaha-tonga ny fifidianana amin’ny 2023.

F.T

Lire aussi