La Gazette de la grande ile

Richard Randriamandranto : Nanala baraka ny firenena Malagasy

Publié le 23 mai 2022

Zava-doza indray no nitranga tao amin’ny diplaomasia Malagasy izay tarihin’ny minisitra ny raharaham-bahiny Richard Randriamandrato nandritry ny fandraisany an’i ramatoa Isabelle Berro-Amadaï, izay mpanolotsaina ny governemanta  ny fanjakan’ andrianan’i Monaco sady minisitrin’ny raharaham-bahiny miadidy ny fifandraisana.

Ny alatsinainy faha 28 martsa 2022 teo dia nisy ny fihaonana aram-pomba fifanajana nataon’ny roa tonta. Napetraka ny sainam-pirenena malagasy sy ny fanjakan’andriana an’i Monaco. Ny saina Malagasy dia nivadika ka ny loko maitso indray no lasa ao ambonin’ny loko mena. Tena fanalana Baraka ny firenena Malagasy mihitsy izany. Ny mpiadidy ny arifenitra ao amin’ity ministeran’ny raharaham-bahiny ity no tena tsy manao ny asany amin’izany koa.

Azo adika zavatra betsaka iny fahotana mahafaty nataon’ny minisitra Richard Randriamandranto sy ny lehiben’ny arifenitra ao aminy iny.

Rjb

Lire aussi