La Gazette de la grande ile

Fitondram-panjakana

Publié le 23 mai 2022

Diso laharam-pamehana

Isaky ny tapa-bolana no midina any amin’ny Faritra mitokana foto-drafitrasa vaovao ny filoham-pirenena ka anjaran’ny Faritr’Ihomrombe indray no notsidihany, ny faran’ny herinandro teo. Amin’ny ankapobeany dia mitovy foana ny foto-drafitrasa tokanana : Sekoly sy kianja manara-penitra ; lalana mirefy amina kilometatra vitsivitsy ary biraom-panjakana nasiam-panavaozana sy fanatsarana. Ankaotra ny fitokanana dia mametraka vato fehizoro amina foto-drafitrasa vao hatsangana ihany koa ny filoham-pirenena ka matetika tafiditra ao anatin’izany ny tranoben’ny serasera sy ny kolontsaina tahaka izay natao tany Ihosy, ny sabotsy teo. Ekena fa tsy ratsy ny manangana foto-drafitrasa vaovao fa mipetraka ihany ny fanontaniana hoe «tena laharam-pamehana manoloana izao ny toe-draharaha ara-toekarena sy ara-tsôsialy misy eto amin’ny firenena izao ve ireo zava-bita tokanan’ny filoham-pirenena na ireo foto-drafitrasa vaovao hatsangana ? »

Ny kianja manara-penitra moa iny efa tsy asiana resaka intsony satria na ny mpianatra hanala ny fanadinana BEPC aza dia mahafantatra fa tsy mampihena ny fahantrana ary tsy manalefaka ny fahasahiranan’ny mponina izay efa tena halohalika ny ranom-bary. Tsara ny fananganana sekoly manara-penitra eran’ny Faritra na distrika, saingy raha hanontaniana ny hevitry ny olom-pirenena amin’ny zavatra tena tokony ho laharam-pamehana dia azo antoka fa mbola betsaka no heverin’izy ireo ho mialohan’izany. Tsy voatery manana diplaoma avy amin’ny oniversité na sekoly ambony vao mahafantatra fa ny tena olana lehibe eto Madagasikara, ankehitriny, dia ny fahefa-mividy ambany dia ambany, ny tsy fisian’ny asa, ny delestazy ary ny resaka tsy fandriampahalemana izay mirongatra izay tsy izy na aty amin’ny tanàn-dehibe na any ambanivohitra.

Mazava ho azy fa tsy mamaha ireo olana lehibe notanisaina tetsy ambony ireo mihintsy ny fananganana sekoly sy kianja manara-penitra manerana na tranoben’ny serasera sy ny kolontsaina manerana ny Nosy. Raha handany vola be amina miliara ariary maro hanaovana kianja sy tranoben’ny serarera, maninona raha orinasa na indostria manodina ny vokatry ny tantsaha no hahorina isaky ny distrika. Marina fa efa tetikasan’ny ministera misahana ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ny fametrahana indostria eny ifotony

ao anatin’ilay tetikasa Taninketsaka indostrialy, saingy tsy ho ampy hiadiana amin’ny fahantrana sy ny tsy fananan’asa mihintsy io tetikasan’i Edgard Razavindravahy io fa mila hampitomboana ny isan’ireo orinasa sy indostria mihodina eto amin’ny firenena satria izay ihany no antoka afahana mampihena ny fahantrana.

F.Tsihiavonana

Lire aussi