La Gazette de la grande ile

Asan-dahalo any Bealalana

Publié le 24 mai 2022

Ny vahoaka indray no sahirana mitady vahaolana

Noho ny tsy fahombiazan’ny mpitandro filaminana dia fokonolona indray no mandray andraikitra miady amin’ny tsy fandriampahalemana. Ao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Bean-drarezona sy Antanagnino-Ambony, distrikan’i Bealalana, Faritr’i Sofia no hisehoan’izany amin’izao fotoana. Misy lalana fandalovan’ny daholo mitondra omby halatra mantsy ao amin’ireto kaominina roa ireto ka nifarimbona nanapaka io lalana io ny mponina ao an-toerana mba tsy afahan’ireo dahalo mampiasa azy intsony. Nohadian’izy ireo ny lalana ka nasiana lavaka be tsy afahana mandeha. Vatan-dehilahy an-jatony no nifarimbona manao izany, nanomboka ny sabotsy lasa teo. Marihana fa mampirongatra ny halatr’omby any amin’ny distrikan’i Bealala, Analalava ary Ambanja ny fisian’io lalana fitondran’ny dahalo omby halatra io ka izay no tena antony nandraisan’ny fokonolona andraikitra. Voalaza fa intelo isak’herinandro farafahakeliny ny trangana fanafihan-dahalo any an-toerana, manoloana izany anefa dia tsy hita izay tena andraikitra raisin’ny mpitandro filaminana ka manao izay danin’ny kibony ny dahalo.

F.T

Lire aussi