Publié le 24 mai 2022
Tetikasa miavaka ny nanabeazan’ny trano fitsaboana Csb II etsy Volisarika Ambanidia amin’ireo fianakaviana sahirana ara-pivelomana. Ankizy tra-pahasahiranana, eny anivon’ireo fokontany dimy manodidina ity Csb II ity no misitraka izany, noho ny tetikasa Produir izay novatsiana vola mitentina 25 tapitrisa dolara avy amin’ny Banky iraisam-pirenena. Beazina handranto fianarana toy ny ankizy rehetra ireto ankizy tra-pahasahiranana ireto,. mba hitovy lenta amin’ny ankizy rehetra. Hisandrahaka manerana an’Antananarivo Renivohitra ity tetikasa Produir iarahana amin’ny Kaomonina Antananarivo ity hoy ny tale ara-tsosialy eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra.
Mpiasampanjakana 31500 no hampidirina mpiasampanjakana mialoha ny faran’ity taona 2022 ity. Hentitra ny ho fanaraha-maso amin’ny fanatanterahana ireo fifaninanana amin’izany, hoy ny filoha teny Iavoloha. Koa dia mandry ivohon’ny vato ireo mpifaninana eo am-piandrasana ny valin’ny fifaninanana, satria dia hiantoka ny tsy hanjakan’ny kolikoly ny filohampirenena, araka ny nambarany.
Nangonon’i Soarak