La Gazette de la grande ile

QMM

Publié le 24 mai 2022

Namono tena ireo trondro maty

Niteraka resabe ny mahakasika ny trondro maty tany Taolagnaro tao amin’ny fitrandrahana fasimainty tany amin’ny ranomasina sy rano mamy  manodidina ny fitrandrahana izay ataon’ny QMM (Rio Tinto).

Vokatrin’ny fahafatesan’ny trondro marobe avy amin’ny fandotoana ny ranomasina nohon’ny fampiasana fanafody simika sy loto maro samy hafa dia alefa any anaty rano no anton’izany. Tonga hatramin’ny fitokonan’ny vahoka tany antoerana ny raharaha izay mpanjono no fivelomany. Tsy nety nilaza ny marina izay antony nahafaty ny trondro ny orinasa. Raikitra ny sakoroka ka nataon’ny vahoaka takalonaina iy mpitandro ny filaminana 29 lahy. Voatery nandeha tany ny fanjakana notarihin’ny praiminisitra Ntsay Christian ny herinandro lasa iny. Delegasionina mafonja no nidina tany Taolagnaro.

Hatramin’izao dia tsy nisy vokany ny fitiliana nataon’ny fanjakana mahaka

sika ity fahafatesan’ny trondro ireo efa ho iray volana izao. Famonoana  tena izany no nahazo ireo trondro ireo? Tsy mety milaza ny marina ny fanjakana.

RJB

Lire aussi