La Gazette de la grande ile

Zotram-pifamoivoizana – Ambohijatovo

Publié le 24 mai 2022

Ilàina fanatsarana hatrany

Niroso tamin’ny fanovan-dalana ny tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra nanomboka ny alahady teo. Omaly alatsinainy dia nahitana fitohanana izany satria dia mbola nanavao ny mpampiasa iny lalana iny ity fanovan-dalana vaovao ity. Aza adinoina fa matoa nanova dia nahitana ny lesoka tokony hasiam-panarenana ny teo aloha. Taratra tamin’ny fandrindrana ny fifamoivoizana teo Ambohijatovo hatrizay ny tsy fahaizan’ny mpitandro filaminana mandrindra ny fiara midina avy any amin’ny tonelina Ambanidia midina eny Andohan’Analakely, hiditra ny tonelina Ambohidahy iny na hidina an’Analakely. Ilaina ny famerenana ny jiro mena sy mavo ary maitso, satria  matetika dia toa ny polisy vao mianatra asa ny mandamina ny fizotran’ny fiara eo. Hany ka tonga hatrany ny fitohanana lavareny mandritra ny ora maromaro. Zara raha misy fiara eo amin’ny folo no alefany rehefa anjaran’ny fiara midina avy eo Ambohijatovo no mandeha. Mifanohitra tamin’izany kosa ny fiara avy any amin’ny Sicam, ny lalana manandrify ny « Hotel Glacier » iny, efa misy fiara ho dimy ambin’ny folo no miakatra mihazo ny tonelina Ambohidahy, ary ny fiara mivoaka ny tonelina Ambohidahy io. Tsy hain’ireto mpitandro filaminana ny mandanjalanja ny habetsaky ny fiara  tokony alefa , koa tsy mahagaga raha nitohana fatratra ny fifamoivoizana teny hatrizay, ka nampimenomenona ny mpandeha taxi be na ny mpampiasa lalana teo. Mety tsy mahay ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana koa ry zareo. Teo koa ny hena-mason’ireo polisy etsy ambony mandrindra ny fiara amin’ny fihaonana eo akaikin’ny tsangambato amin’ireo mpamily ny fiara fitateram-bahoaka teo amin’ny fiantsonana teo aloha. Jeren’izy ireo eo ambany masony fotsiny matetika ireny fiara fitateram-bahoaka mibahan-dalana eo amin’ny fiara mizotra mandeha any an’Anosy sy Analakely.

Manana taratasy fahazahoan-dalana (permis) sy tsara hofana avokoa ve ireny polisy misahana ny fifamoivoizana ireny ? Noho izany, ialàna amin’ireo lesoka izay, dia tokony polisy voaofana manara-penitra no apetraka hanao ny rindram-pifamoivoizana, hoentina manatsara ny fifamezivezena amin’ny fanovan-dalana atao. Tsy sanatria polisy vao nofanina andro vitsy na iray volana monja dia ajoro hanao ny asa izay. Ny fanovan-dalana toy izao dia hitsinjovan’ny be sy ny maro  ny fahavarezam-potoana  izay mampiteraka fatiantoka tsy hita velively.

Soarak

Lire aussi