La Gazette de la grande ile

Tsena eto Andrenivohitra : maro ny mpivarotra voafitaka

Publié le 24 mai 2022

Andiana mpivarotra maromaro avy amin’ireo tsena eto Andrenivohitra no nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety teny Analakely, omaly, ary nanao fanambarana fa tsy manaiky ny fanisàna azy ireo izay ataon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Tsara marihana fa ireo mpivarotra ara-dalàna ao anaty tsena no resahina eto fa tsy ireo mpivarotra amoron-dalana mameno ny tanàna akory. Araka ny fanazavana nomen’ireto mpivarotra nitafa tamin’ny mpanao gazety ireto, dia manana ahiahy izy ireo amin’ny mety ho fanomezana ny tsy miankina ny fitantanana ny tsena rehefa vita ny fanisàna. Tsihiavina fa tanjon’ny kaominina amin’izao fanisàna mpivarotra izao ny fampivoarana ny tsena eto Andrenivohitra amin’ny fampiasana ny digitalisation.

Manamora ny fandoavana ny haban-tsena sy afahana manavaka ny mpivarotra ara-dalàna sy ny tsy ara-dalàna ny fametrahana ny digitalisation, ary fitaovana entina miady amin’ny halatra sy ny risoriso isan-karazany ataon’ireo tompon’andraikitry ny tsena. Tsy mitombina mihintsy ny ahiahin’ireto mpivarotra ireto amin’ny mety ho fanomezana ny tsy miankina ny fitantanana ny tsena satria ny Société Municipale de Gestion Digitale (SMGD) izay an’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ihany no hiandraikitra ny fitantanana ny haban-tsena aloan’ireo mpivarotra rehetra. Ny tena marina dia misy zavatra maloto ao ambadik’izao fanoherana ny digitalisation ataon’ny kaominina izao satria betsaka no ho very fihinanana rehefa hihatra io, tsy hisy intsony ny halatra sy ny fanodikodinam-bola avy amin’ireo tompon’andraikitry ny tsena. Ireto farany no mamporisika ireo mpivarotra tsy hanaiky ny fanisàna sy ny digitalisation ataon’ny kaominina. Ampitahorin’izy ireo amin’ny mety ho fanomezana ny tsy miankina ny tsena ireo mpivarotra kanefa zavatra hafa mihintsy no tanjona, dia tsy inona fa ny fiarovana ny fihinanana mba tsy tapaka.

F.Tsihiavonana

Lire aussi