La Gazette de la grande ile

Amboavory Amparafaravola

Publié le 25 mai 2022

Leo tsindry hazo lena ny vahoaka

Nisokatra omaly eny amin’ny ivon-toeram-pivoriana iraisam-pirenena (CCI) Ivato ny atrikasa mahakasika ny fanavaozana ny rafitry ny tsy fandriampahalemana eto amintsika. Ny Vondrona Afrikanina moa no tompon-kevitra sy mpikarakara izany atrikasa izany fa mandray anjara ao anatin’io avokoa ny mpisehatra rehetra eo amin’izay tontolon’ny fandriampahalemana izay, dia ny foloalindahy sy ny polisim-pirenena, ny solontenan’ny fikambanana firaisamonim-pirenena ary ny avy amin’ny fitsarana. Araka ny efa voalaza tery ambony dia fanavaozana ny rafitry ny fandriampahalemana eto Madagasikara no tena tanjona amin’izao atrikasa izao mba hisian’ny filaminana. Efa maro ihany izay atrikasa momba ny tsy fandriampahalemana natao teto amintsika izay fa tsy hita mihintsy izay tena vokany aloha hatreto.

F.T

Lire aussi