La Gazette de la grande ile

Inty sy Nday

Publié le 25 mai 2022

Vonoy ho faty mihitsy ny vahoaka e !

Nanaitra ny mpanara-baovao maro ny tenin’ny minisitry ny vola, Rtoa Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, izay nilaza fa « tsy mbola voasokajy ho firenena itambesaran-trosa i Madagasikara ». Nanaitra satria misy ny milaza fa « tena efa bokan-trosa i Madagasikara matoa mitrosa hanefana trosa ».

Ny famaritana ny antsoina hoe « be trosa na bokan-trosa » na « itambesaran-trosa » angamba no tokony ifanarahana aloha. Ho an’ny olon-tsotra, na inona famaritana azy na inona dia  tsy afaka ny tsy hampitaha ny trosan’olona amintsika malagasy amin’ny fitambaramben’ny volam-panjakana enti-miasa isika. Ny tarehi-marika mampiseho ny fifandanjan’ny vola tokony hiditra amin’ny vola tokony hivoaka amin’ny teti-bolam-panjakana no mamaritra ny maha-bokan-trosa antsika na tsia.

Etsy ankilany, ny fihetsiky ny mpitondra fanjakana sy ny mpampisambo-bola iraisampirenena koa dia azo itarafana ny maha-firenena bokan-trosa antsika na tsia. Jereo fa vao omalin’ny omaly ny minisitry ny vola no nanao sonia fitrosana tamin’ny Banky Afrikana ho amin’ny fampandrosoana. Vola 5 Tapitrisa dolara monja dia ny minisitry ny vola no manao sonia azy. Fahafaham-baraka ange izany leiretsy e ! Mafy loatra ve ny teninay raha milaza hoe « sanatriavin’ny vava ve ka lasa androrosy ny mpitondra fanjakana ? » Matoa ianao mitrosa 5 tapitrisa dolara dia satria ny tetik’asa hotanterahina amin’iny volakely iny aza tsy anananao. Firifiry izay fanaovan-tsonia fitrosam-bola teo amin’ny mpampindram-bola iraisampirenena izay, izay manodidfina ny 5 tapitrisa dolara. Ny avy amin’ny Tahirim-bola iraisampirenena izay hanampiana ny teti-bolam-panjakana no mba manodidina ny 30 tapitrisa dolara. Na izany aza dia efa mahamenatra.

Fa manitikitika ny saina koa ny hoe « raha mbola tsy bokan-trosa aza isika, hihazakazahana ve ny hahabokan-trosa antsika vao hahatsiaro tena isika ? »

Vao niditra tamin’ny politikan’ny fandaharan’asa fanitsiana ara-drafitra na « Programme d’ajustement structurel = Pas » i Madagasikara tany amin’ny taona 80 tany dia efa voagejan’ny mpampitrosa. Izay ilay antsoina hoe « sous programme ». Ny trosa nifampirahatrahan’ny mpitondra fanjakana teto izay nenti-nanatanteraka ny « Dcpe » (antontan-taratasy lasitra momba ny politika ara-toekarena) izay nodimbiasin’ny « Dsrp na Antontan-taratasy mirakitra ny tetik’ady ampihenana ny fahantrana » dia nanasokajy an’i Madagasikara ho firenena isan’ny mahantra sady bokan-trosa (pays pauvre très endetté). Dia mody nomena rivotra « oxygène » kely mba hahazo aina kely ka nofafana ny trosa tsy zaka intsony, fa taorian’izay dia tsy namelan-dRavalomanana raha tsy tafakatra hatrany amin’ny 4.500 Tapitrisa dolara indray ny trosan’olona mangeja an’i Madagasikara.

Marina fa nandritra ny tetezamita (2009-2013) dia tsy nitrosa firy isika nefa nanefa ny trosan’olona hatrany, saingy nisy fitomboany hatrany ny trosa taty aoriana. Ny fitondram-panjakana nifandimby teto dia tsy nitsahatra nisambo-bola, nitrosa, nanjana-bola…, ary izany no mahatonga ny firenena malagasy lasa ampiankinin-doha amin’ny any ivelany. Dia ny tompon-trosa no mibaiko, ary isan’izany ny fanerena antsika ho tsy maintsy manome an-dry zareo ny harenantsika . Fanomezana fa tsy varo-boba akory (2% no mba anjarantsika amin’Ambatovy sy QMM nefa mampiditra 1.000 Tapitrisa dolara (1 miliara dolara) isa-taona avy, sy ny harena an-dranomasintsika robaina ankolaka amin’ny 200 Ariary no ividianan’ny Vondrona Eraopeana ny lamatra  (thon) iray kilao….Ny fanaovana fotodrafitrasa lehibe eto dia anjanahantsika vola amin’ny avy any ivelany avokoa. Misy fepetra mirazotra aminy hatrany ange ireny fifampitrosana ireny e ! Ary ireny fepetra ireny dia isan’ny manakenda ny vahoaka, ka raha tsy mahafa-po anareo mpitondra ny trosa efa mitambesatra amin’ny firenena dia vonoy ho faty avy hatrany ny vahoaka e !

Tohanana

Lire aussi