La Gazette de la grande ile

LAVA MASO

Publié le 27 mai 2022

– Ise, moa, ry Zefa no miseho azy ho fatsora ato am-pianarana ato?… K’izao : misy fanontaniana apetrako ami-ise ity, ka valio! hoy Ramose.

– Tairo izay fanontaniana apetrakao, fa valiako raha tsy sarotra e!

– Eny àry!… “Fahatsiarovana inona, moa, ny datin’ny 26 JONA?

– NTSS!… Ny zaza mbola any an-kibon-dreniny aza, ve, Ramose tsy ahafantatra izany!

– Ka ahoana?… Hain’ise, sa tsy hain’ise?

– Ny datin’ny 26 JONA, ve?… Io daty io no daty fahatsiarovana ny nahazoan’i Madagasikara ny Fahaleovantena, Ramose!… Ka ahoana?… Marina sa tsy marina?… Ary ity, àry, mba misy fanontaniana apetrako aminao, Ramose!… Henoy tsara an!

– Tairo e!

– Izao àry!… Inona no fantatrao momba ny daty 12 Novambra?

– 12 Novambra ahoana?

– 12 Novambra e!…

– Mba marina raha haiko izany!… Inona ny 12 Novambra?

– Tsy hainao?… Raha tsy fantatrao dia aoka ho lazaiko!… Ny andro 12 NOVAMBRA dia ANDRO NAHATERAHAN’I DADAKO!

– ???

Lire aussi