La Gazette de la grande ile

Fifidianana 2023

Publié le 27 mai 2022

300 miliara Ar no lanin’ ny kandidà iray

Ny sandam-pirotsahana ho filohan’ny repoblika dia 50 millions ariary na (250 millions fmg) raha tsy miova indray ny lalàna momba izany.

Ny tarehi-marika entina eto dia izay tsy maintsy ilaina amin’ny fifidianana ihany ka hahazoana manao izany eran’i Madagasikara raha toa ka handeha amin’ny distrika 119 manerana ny nosy.

Ny karaman’ny delege roa isakin’ny birao dia 40 000 ariary na (200 000 fmg) izay miisa 16 000 no isany.  Heverina ho 1 miliara 800 millions ariary (6, 8 miliara fmg) izany.

Ny  fampielezan-kevitra eny amin’ny haino aman-jery isan-karazany dia kaotina ho 6 miliara ariary na  (30 miliara fmg).

Ny mpanakanto sy ny artista ary ny fanamafisam-peo dia mitetina any amin’ny 6 miliara na (30 miliara fmg)  ihany koa raha kely indrindra.

Ny fiaramanidina sy ny angidim-by ho entin’ny kandida mandeha eran’ny distrika 119 dia mitetina hatrany amin’ny  50 miliara ariary na (250 miliara fmg).

Ireo rehetra ireo raha atambatra dia mitentina any amin’ny 316 miliara fmg raha kely indrindra.

Ireo voatanisa ireo no fandaniana fototra tsy maintsy ilana fa mbola misy ny kojakoja maro isan-karazany toa ny  fiarakodia, ny akanjo , ny fanomezana isan-karazany ary ny samy hafa izay tsy maintsy ho ilana amin’izany.

Raha te ho lany izany dia tsy maintsy mandany in-droa an’io vola io,  izany hoe 600 miliara fmg. Ny kajikajy izay entinay eto nefa dia tamin’ny taona 2018 no nangalana ireo tarehi-marika ireo.

Efa maro ny kandidà heno fa hilatsaka hofidiana ny ho  filoham-pirenena. Hiparitaka ny vola noho izany ary efa betsaka ny olona no miandry izany. Betsaka ny kandidà no tsy hanana io vola io fa mba mandrevirevy fotsiny. Na iray aza no hanana io vola io dia hiakatra indray ny farimpiainanan’ny Malagasy amin’ny 2023 io satria hitobaka ny vola ho azon’ny olona tsirairay indray.

Randriambe Jesy Rabelaolao

Lire aussi