La Gazette de la grande ile

Fihaonambem-pirenena

Publié le 27 mai 2022

Lasa fitadiavan-tseza

Fitakiana ataon’ireo mpanao politika sasany ivelan’ny fitondrana indray, ankehitriny, ny tokony hanaovana fihaonambem-pirenena na ny « conférence nationale ». Marihana fa nanomboka novoizin’ireo mpanao politika mafy io fihaonambem-pirenena io taorian’ny teny nataon’ny solotenan’ny Vondrona Eoropeana eto amintsika izay mamporisika ny dinika politika eo amin’ny samy Malagasy mba afahana mampandroso ny firenena. Amin’ny ankapobeany dia ireo mpanao politika tsy manam-bola hiatrehana fifidianana kanefa te hahazo toerana ao anaty fitondrana mafy no lasa mivohy izany, fa eo koa ireo efa minisitra tao anatin’ny fitondrana mijoro ankehitriny fa noesorina, ohatra amin’izany ny minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha, Marie Thérèse Volahaingo.

Tohan-kevitra entin’ireo mpanao politika mitaky fihaonambem-pirenena moa ny hoe mikoroso fahana ny firenena ary tsy misy zavatra mandeha araka ny tokony ho izy intsony eto Madagasikara. Ny tena marina anefa, vao miresaka fihaonambem-pirenena ny mpanao politika dia fizaran-tseza no tena tanjona ao ambadika. Tsy zava-baovao eto amin’ny firenena moa ny fihaonambem-pirenena fa efa natao teto izany tamin’ny taona 2011, nandritra ny fitondrana Tetezamita, ary mbola nisy koa tamin’ny taona 2014 izay nokarakarain’ny Fiombonamben’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara (FFKM). Nandray anjara tamin’izany avokoa moa ny hery politika rehetra sy ny firaisamonim-pirenena, hiaraha-mahita anefa fa tsy nitondra na inona na inona eto amin’ny firenena ny fanaovana izany.

Tsiahivina fa tamin’ny fihaonambem-pirenena farany nokarakarain’ny FFKM, tamin’ny taona 2014, dia fanadiovana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana fotsiny no tena nisongadina. Maro ny fehin-kevitra nivoaka tamin’izany izay mahakasika ny sehatra politika, toekarena sy sôsialy, saingy tsy nisy notanterahin’ny fitondrana tamin’izany fotoana izany akory. Inona no antoka fa raha hiroso amin’ny fihaonambem-pirenena indray ny fitondrana mijoro ankehitriny dia tena hisy fiovana sy fandrosoana amin’izay eto amin’ity Madagasikara ity fa tsy ny mpanao politika ihany no hahazo tombony rehefa vita fizaran-tseza?

F.Tsihiavonana

Lire aussi