La Gazette de la grande ile

Rabearimanana Gabriel

Publié le 27 mai 2022

Herintaona izay no nahalasanany

Herin-taona katroka ny alarobia faha-25 may teo no nandaozan-dRabearimanana Gabriel ny tany. Mpampianatra mpikaroka eny amin’ny seha-pampianarana ambony no isan’ny nahalalan’ny maro azy fa teo amin’ny tontolo politika dia sekretera jeneralin’ny Antoko Monima izy tamin’ny fotoana nahalasanany. Nahatsiaro manokana azy ny Antoko Monima ny alarobia teo, ka nampahatsiaro ny momba azy sy ny anjara-biriky nentiny ho an’ny firenena, teo amin’ny tontolo politika sy ny fitiavanan-tanindrazana ny mpikatroka Monima sy ny mpikambana ao amin’ny Birao Foibe notarihin’ny Filoha nasionaly Monja Roindefo. Nivoitra tamin’io fahatsiarovana tsingerin-taona voalohany nahalasanan-dRabearimanana Gabriel io ny andraikitra mankadiry notazoniny nandritra ny naha-filoha nasionalin’ny Monima an’i Monja Jaona.

Ralaisoava

Lire aussi