La Gazette de la grande ile

Mama sôsy : Lasa mpiahy an’Alaotra Mangoro

Publié le 28 mai 2022

Omaly no nidina tany Ambatondrazaka nitokana fotodrafitrasa vaovao natsangan’ny ministera tantaniny i Lalatiana Rakotondrazafy na i Mama sôsy. Nandritra izany fitsidihana izany no nahafantarana fa voatondro ho minisitra mpiahy ny Faritra Alaotra Mangoro ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina, ary raha ny fanazavana nomeny moa dia ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra no nangataka taminy mba ho mpiahy an’io Faritra io ka nohekeny tsy am-pisalasalana. Nambaran’i Lalatiana Rakotondrazafy tao anatin’ny fandaharana «Tsy ho tompon-trano mihono » ao amin’ny Televizionina Malagasy, omaly, fa manomboka izao dia izy tenany no mpisolo vava ny vahoakan’ny Faritra Alaotra Mangoro.

Tsara marihana fa Faritra fahatelo sahanin’i Mama sôsy Alaotra Mangoro satria efa mpiahy ny Faritr’i Bongolava sy Vakinakaratra ny tenany. Mampametra-panontaniana ihany moa hoe tena ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra tokoa ve no nanao ny fangatahana sa i Lalatiana Rakotondrazafy mihintsy no maniry ny ho lasa mpiahy an’io Faritra io mba hanindrina ny depiote Fidèle Razarapiera. Mety manamarina izany ahiahy izany ny teny nataon’ity minisitra ity izay nilaza hoe «manomboka izao dia izy no mpisolo vava ny vahoakan’Alaotra Mangoro » ,teny izay mazava ho azy fa tsy mahafaly an’i Fidèle Razarapiera mihintsy. Ankaotra izay, sarotra ny inoana hoe mankasitraka izany fahazoana an’i Mama sôsy ho mpiahy izany ny mponina ao Alaotra Mangoro satria raha ny voka-pifidianana filoham-pirenena sy solombavam-bahoaka farany teo no jerena dia iray amin’ireo Faritra niandany tamin’ny antoko TIM i Alaotra Mangoro kanefa raha misy ny mpanao politika tsy levon’ny vavon’ireo mpomban’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana indrindra dia anisany i Lalatiana Rakotondrazafy.

F.Tsihiavonana

Lire aussi