La Gazette de la grande ile

LAVA MASO

Publié le 02 juin 2022

Tao amin’ny Fiangonana iray vao nisokatra no niseho ity tantara iray ity !

– “Izao dia hatatazana ny rakitra ary aorian’izany dia hisy vavaka fisaorana hono izay nataontsika tsirairay avy !” hoy ingahy mpitarika.

Noho ny mbola tsy fahampian’ny fitaovana ao amin’ity trano fivavahana, moa, dia vatery ny satroky ny mpitarika ihany aloha no navezivezy teo amin’ireto mpivavaka.

Nampalahelo fa tsy nisy nandrotsaka fanatitra izy ireoç na dia iray aza. Niveri-maina teo anoloan’ingahy mpitarika ny satrony. Ary satria ela niloa-bava mba hivavaka izy, dia tsy maintsy nivavaka. Ka toa izao no vavaka nataony ; “Misaotra Anao indrindra aho Andriamanitra, fa na dia mafy sy sarotra, aza, ny fiainana ankehitriny dia naverin-drizareo ireto tamiko ihany ny satroko !”

Amen !

Lire aussi