La Gazette de la grande ile

Moramanga- Ambila Lemaitso

Publié le 02 juin 2022

Handeha ny zotran-dalamby anio

An-taonany maro ny fahatapahan’ny zotran-dalamby tamin’ny faritra sasany teto amintsika noho ny antony samihafa. Anio 2 jona 2022 dia hisokatra ny zotran-dalamby hampitohy an’i Moramanga amin’ Ambila Lemaitso. Tany aloha dia anisan’ny nifamezivezen’ny mpandeha sy nanamora ny famoaham-bokatra ny fiaran-dalamby. Hiverina amin’ny laoniny tsikelikely izany satria tsy hahatritra ela koa ny zotran-dalamby hampitohy an’i Toamasina hatrany Moramanga alohan’ny 23 jona 2022 izao. Nambaran’ny tompon’andraikitra fa hanaraka ny fenitra  ara-dalàna ny tapakila hampiasaina amin’izany.

Nangonon’i Soarak

Lire aussi