La Gazette de la grande ile

Fakana an-keriny zazavavy : Sekta no ao ambadika

Publié le 07 juin 2022

Mbola mitàna ny sain’ny maro amin’izao fotoana ny fakàna an-keriny zazavavy nisesisesy teto Andrenivohitra, tato anatin’ny andro vitsy. Raha ny fantatra dia tsy mbola nisy voasambotra na nalaina am-bavany mihintsy aloha hatreto ireo voarohirohy amin’ity raharaha ity na efa nanambara aza ny avy eo anivon’ny pôlisim-pirenena fa efa misy ny olona ahiahiana ho tompon’antoka amin’izany. Mbola mametra-panontaniana avokoa moa ny rehetra amin’ny tena antony na ny ao ambadik’ity fakàna an-keriny zazavavy ity satria mifono mistery ho an’ny daholobe ny raharaha. Samy manana ny heviny momba izany moa ny olom-pirenena fa rehefa tena dinihana dia maro no milaza fa fiangonana sekta no ao ambadik’ity trangam-piarahamonina miteraka resabe ity.

Raha nohenoina mantsy ny fijoroana vavolombelona nataon’ireo lasibatra tamin’ity fakàna an-keriny hafahafa ity dia tovovavy virjiny no tena tadiavin’ireo olon-dratsy. Rehefa tsy virjiny na tsy madio intsony dia arian’izy ireo eny amoron-dalana. Mazava ho azy fa ny sekta no manana izany fomba fanao izany raha mijery ny zava-misy any ivelany any. Zavatra tsy ampoizina ary tsy eritreretin’ny saina mihintsy moa no vitan’ny fiangonana sekta sasany any ampitandromasina any ka tsy tokony hahagaga raha efa tonga eto amintsika ihany koa ny trangan-javatra toa izao miseho eto Andrenivohitra izao. Efa misy eto amintsika ohatra ny sekta satanika izay fantatra amin’ny fanaovana sorona olombelona, indrindra fa tovovavy virjiny raha mijery ny zava-misy any ivelany. Tsiahivina ihany fa mirongatra izay tsy izy ny fiangonana sekta manerana ny Nosy ary efa hanjakan’izy ireo ny tontolon’ny haino aman-jery. Fanasàna atidoha fotsiny anefa no tena betsaka ary maro no voasarika amin’izany.

Frank.T

Lire aussi