La Gazette de la grande ile

Orinasa Jirama : 500 miliara Ar no eritreretin’ny Fanjakana omena azy

Publié le 21 juin 2022

Efa tonga eny amin’ny Antenimierampirenena ary ho laniana mialohan’ny fikatonan’ny fotoam-pivoriana ny volavolan-dalàna ho fanitsiana ny lalàna mifehy ny tetim-bolam-panjakana 2022 (projet de loi des finances rectificative). Iray amin’ireo fanitsiana nataon’ny governemanta ao anatin’izany ny famatsiam-bola (subvention) omena ny orinasa Jirama amin’ity taona ity. Raha 380 miliara ny famatsiambola ho an’ny Jirama voalaza tao anatin’ny volavolan-dalàna lasitra mifehy ny tetim-bolam-panjakana (loi des finances initiale), dia nampiakarina ho 500 miliara ariary izany ao anatin’ny volavolan-dalam-panitsiana izay ho lanian’ireo depiote, izany hoe nampitomboina 120 miliara ariary.

Frank. T

Lire aussi