La Gazette de la grande ile

LAVA MASO

Publié le 24 juin 2022

– Mba nanao ahoana ny rain’ise izay, Razefa ? hoy i Davy sakaizany.

 – Angaha hita e ! … Aretin’antitra, r’ise a ! … Fa vola, ange, izay lany izay fa tsy hita izay vokany e ! … Efa nentina tany amin’ireny mpitsabo gasy ireny ingahirainy, fa ny vola foana no lany. Nentina tamin’ireny Dokotera libra ireny, fa « ie  … ie» ! … Tsy nisy vokany daholo ! … Tsy maintsy ahiditra Hopitaly ihany, angamba, no hiafarany, r’ise a !

– Aleo tokoa, r’ise, miditra Hopitaly a ! … Sady tsy sahirana koa ianareo amin’izay !

– Tsy sahirana ahoana ?

– Ka ny fasanareo, moa , tsy ao ambadik’io Hopitaly io ihany ?

– Dia maninona ?

– «AVY ETO, DIA MANKETSY» E !

– ???

Lire aussi