La Gazette de la grande ile

Mahajanga : Naharitra ora 12 ny delestazy

Publié le 24 juin 2022

Efa tsy rariny intsony ny faharetan’ny fahatapahan-jiro any Mahajanga, tato anatin’ny andro vitsy. Raha ny alarobia lasa teo ohatra dia naharitra ora 12 be izao ny delestazy tamin’ny fokontany maromaro any an-toerana, nanomboka tamin’ny 4 ora hariva no tapaka ny jiro ary tsy niverina raha tsy maraina ny andro. Marihana fa voakasik’izany delestazy lavareny izany daholo ny fokontany miisa 26 ao anatin’ny kaominina ambony vohitr’i Mahajanga. Inoana fa tanàn-dehibe maro koa no mety ahitàna fahatapahan-jiro tahaka izany fa tsy ao Mahajanga fotsiny satria na ny eto Andrenivohitra aza dia mbola misedra izany daholo ny fokontany rehetra isan’andro, ary maharitra ora roa raha kely indrindra.

F. Tsihiavonana

Lire aussi