La Gazette de la grande ile

Ry mpitatitra UCTU : Atsaharo ny fampiakarana saran-dalana

Publié le 24 juin 2022

Manambana ny hanondrotra ny saran-dalana ny mpitatitra; Misy fepetra fototra tsy azon’izy ireo hamaivanina anefa. Hajao an-tsakany sy an-davany ny voasoratra ao anaty bokin’andraikitra (cahier des charges) amin’ny fanomezana kalitao mendrika sy sahaza ny mpandeha manomboka izao aloha. Ry mpitatitra rehetra ao amin’ny UCTU, tsy azo ekena intsony  ny hamaliana ny hetaheta takiana, dia ny hampiakarana ny saran-dalana ho 1000 ariary. Lasa tombontsoa manokana ho an’ny tompon’ny fiara ao amin’ny kaoperativa UCTU , izay manao ny asa fitateram-bahoaka fotsiny izany. Ny antony dia tsotra.  Satria ratsy ny kalitao rehetra natolotra ho an’ny mpandeha hatramin’izay. Ilaina takiana amin’ireo tompon’ny fiara miasa ho an’ny vahoaka ireo indray ve ny manaja ny fepetra amin’ny fanarahan-dalàna momba io bokin’andraikitra io? Rehefa voahaja izany rehetra izany vao tokony hampiharina ny fampakarana ny saran-dalàna.

Na hakarina 1 000 hatramin’ny 2 000 ariary aza ny saran-dalana eto, dia  kalitao ratsy hatrany no hojifain’ny mpandeha mandavan-taona. Endrika maro no isehoan’ny kalitao tsy voahaja sady ratsy  avy amin’ireo tompon’ny  fiara fitateram-bahoaka ireo, raha ny eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina. Eo ny fanariana an-dalana ny mpanjifa. Eo koa fitakiana saran-dalana in-droa na in-telo mihitsy vao tonga amin’ny alehany ny mpandeha, Taratra amin’ireo mpamily sy ny mpanampiny koa ny fitafy sy ny loto , tsy misy fahadiovana.

Ny kalitaon’ ny  asa sy ny fiara fitateram-bahoaka, dia  tena ratsy. Rotidrotika  avokoa ny fonon-tseza ipetrahan’ny mpandeha ao anatiny, sady maloto. Ny tongotry ny seza vy dia mitongilana. Misy mihitsy aza  no noesorina  fiankinan’ny mpandeha, tandrify ny varavarana ivoahana iny.

Mbola mameno izany ny fitanisana lava izany ny fatiantoka tsy manam-pahataperana ambaran’ny mpitatitra UCTU amin’ny asa fitateram-bahoaka nandritra  ny taona maro. Lafo ny  kojakojan’ny fiara e, miakatra ny vidin-tsolika e, misondrotra ny saram-piantohan’ny fiara e,  aiza ny fanampiana (subvention) avy amin’ny fanjakana e, potika ny lalana dia simba vetivety ny fiara e. Izany hatrany ny antsoantso ataon’ireo tompon’ny fiara mpitatitra , tsy mitsinjo ny mpanjifa , dia mitaky ny fampiakarana saran-dalana.

Aina Soa

Lire aussi