La Gazette de la grande ile

Fetim-pirenena : Be ny olona manadino ny tantara

Publié le 24 juin 2022

Raharaha be rehefa diso mahantra loatra ny firenena. Tsy misaina raha tsy ny resaka vary sy sakafo hohanina ny vahoaka ao aminy. Tsy miraharaha izay tantara any fa  ny hanao fety sy ny hiala vokona no ao an-tsaika. Mieritreritra ny hihinana sakafo tsaratsara kokoa nohon’ny amin’ny andavanandro dia izay.

Tsy ny olona tsotra ihany no manana olana amin’ny tantara ity fa hatramin’ireo mpanao politika. Tsy miraharaha raha tsy ny vola ho azo sy ny bizina sisa. Tsy mahagaga raha toa ka mivaralila ny firenena satria tsy mahalala ny tokony hatao intsony. Tsy miresaka raha tsy bizina sisa no eto.

Variana amin’ny adim-piainana ny vahoaka Malagasy ka tsy misy mijery intsony izay tantara any. Na tiana nefa na tsy tiana dia manarakaraka eny ihany ny tantara ary tsy azo odiana tsy hita fa fototrin’ny zavatra maro amin’ny fampandrosoana ny firenena. Resin’ny “facebook” sy ny tambazotra tseratsera isan-karazany ny tantara ankehitriny.

Tsy mahagaga raha tsy mandroso sy mirefarefa ny fisainana ankehitriny satria n any tantarany aza tsy fantany intsony.

RJB

Lire aussi