La Gazette de la grande ile

AKOM-BAOVAO SAMIHAFA

Publié le 24 juin 2022

Miaramila, zandary, polisy

Hampifaly ny zaza kamboty

Ankalazaina mandritra ity volana jona 2022 ity ny fanamarihana ny iray volan’ny ankizy eto amintsika. Nanomboka ny talata 21 jona hatramin’ny 25 jona ny kermesy lehibe  etsy amin’ny Kianjan’i Betongolo, ravahan’ireo kilalao isan-karazany, ary ny sakafo ara-pahasalamana. Hotolorana ny toby fitaizana zaza kamboty ny vola azo amin’ity hetsika fampifaliana ny rehetra ity. Entanina izany  ny olompirenena tsirairay handray anjara noho ity hetsika karakarain’ny  mpitandro filaminana ity. Mpandray anjara mavitrika amin’izany ny miaramila sy ny zandary ary ny polisy , notarihan’ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena sy ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka. Samy mankalaza ny faha 62 taonan’ny Tafika Malagasy sy ny tsingerin-taona nahazahoan’i Madagasikara ny fahaleovantena indray.

Fanitsiana ny lalanan’ny teti-bola

Lalaon’ny Nosy sy lisi-pifidianana no vaovao

Niadian-kevitra teny anivon’ny lapan’ny Antenimierampirenena teny Tsimbazaza tato anatin’ny telo andro ny tolo-dalàna mirakitra ny fanitsiana ny teti-bolam-panjakana amin’izao taona 2022 izao. Teboka roa no tena nivoitra ho nahazo sora-bola vaovao, dia ny fandrafetana vaovao ny lisi-pifidianana na « refonte de la liste electorale » sy ny ho fandraisana ny lalaon’ny Nosy. Ny ankoatra ireo dia saika fanampiana sora-bola ihany.

Nangonin’i Soarak

Fiakaran’ny vidin-tsolika

Misy toby mpaninjara mikatona sahady

Tsy mbola misy aloha hatreto ny daty voatondro hampiakarana ny vidin-tsolika eto amintsika fa ny azo antoka dia tsy ho ela intsony izany fa afaka andro vitsy, amin’ny fiandohan’ny volana jiolay izao raha ny tsilan-tsofina. Mbola ao anatin’ny fifampiresahana tanteraka moa ny Fanjakana sy ireo kaompanian-tsolika ka ny andrasan’ny maro, ankehitriny, dia ny hoe hiakatra ohatrinona ny vidin’ny litatra amin’ny lasantsy sy ny gazoala eto amintsika rehefa hoavy ny fisondrotana. Manoloana izany dia efa misy maromaro amin’ireo toby mpaninjara solika eto amintsika no mikatona amin’izao fotoana, miandry ny fotoana hampiharana ny fisondratana. Tsy ny solika akory no tsy ampy fa tsy mamoaka tahiry mihintsy izy ireo na ilay ambara amin’ny fiteny frantsay hoe manao «spéculation». Any amin’ny Faritra moa no tena ahitàna ireo toby mpaninjara mikatona ireo fa efa hita sy tsikaritra ihany koa ny fisian’izany eto Andrenivohitra, tahaka ny etsy amin’ny toby Galana na Total etsy Ankandimbahoaka.

Fetim-pirenena ao Mananjary

Voahilika ny ben’ny tanàna MMM

Na ny fanamarihana ny fetim-pirenena aza dia hisehoan’ny manakavahana ara-politika. Lasibatra amin’izany fihetsika mamohehatra izany ny ben’ny tanàna ao amin’ny kaominina ambony vohitr’i Mananjary, Denis Franconio na i Maitre Coco. Araka ny fanazavana nomen’ny foiben’ny Antoko Malagasy Miara-Miainga (MMM) izay nahalany ity ben’ny tanàna ity, dia tsy ao anatin’ireo manam-pahefana nasaina hanotrona ny lanonana ho fankalazana ny fetin’ny fahaleovantena amin’ny 26 jona izao i Denis Franconio, lanonana izay ho tanterahina ao amin’ny kianjan’i Vatovavy. Ireo depiote roa voafidy tao amin’ny distrikan’i Mananjary sy ireo tompon’andraiki-panjakana rehetra ao an-toerana anefa dia nahazo fanasana avokoa. Mazava ho azy fa antony ara-politika no mahatonga izany satria ben’ny tanàna MMM i Denis Franconio, ity antoko antoko ity izay efa nisafidy ny tsy hiara-dia amin’ny fitondrana mijoro ankehitriny intsony.

Nangonin’i F. Tsihavonana

Lire aussi