La Gazette de la grande ile

Rn-13 : Tsy mazava ny famatsiam-bola

Publié le 24 juin 2022

Niarahana naheno ny filazana nataon’ny fanjakana tany Ambovombe Androy sy Taolagnaro ny zoma 17  sy asabotsy 18 jona 2022 fa ny BEI (Banque Européenne  de Développement) no mamatsy vola ity tetikasa ity.

Ny alarobia  faha 22 jona 2022 rehefa nihaona tamin’ny depiote tao Tsimbazaza ny minisitry ny vola Ramatoa Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison mikasika ny fanitsiana ny tetibolam-panjakana 2022 dia nilaza fa ny RPI (ressource propre interne) na ny vola manokan’i  Madagasikara no anamboarana ny ampahany amin’io làlam-pirenena faha-13 io.

Inona izany no tena marina amin’ity fanamboaran-dàlana izay hatao any amin’ny RN-13 ity? Volan’ny fanjakana Malagasy tanteraka ve sa volan’ny Vondrona  Erôpeanina? sa ny volan’ny roa tonta? Ny taona 2017 raha miverina amin’ny tantara dia ny  Vondrona Erôpeanina  amin’ny alalan’ny BEI no voalaza tamin’izany fotoana izany fa hiantoka ny vola rehetra. Mbola tamin’ny fanjakana Hery Rajaonarimampianina no filoham-pirenena tamin’izany. Ny fifandimbiasam-pitondrana dia izao ny raharaha.

Tsy mbola ela koa fa tamin’ity taona 2022 ity dia nanambara ny Vondrona erôpeanina fa mihantona  aloha ny fanamboarana ny RN-13 satria mbola misy zavatra maro tsara hazava. Ankehitriny dia hanomboka ny ampahan-dalana Taolagnaro sy Ambovombe izay mirefy 107 km. Ny tena nifanarahana tany amboalohany nefa dia hatrany Ihosy tonga hatrany Taolagnaro ny tetikasa.

Ny tena mahagaga ny mpanaraka ny vaovao ankehitriny dia ny fahazoan’ny orinasa COLAS ny tsenam-barotra amin’ity asa ity nefa ity orinasa ity dia voasazy ny Banky iraisam-pirenena 24 volana tsy mahazo miasa nohon’ny hadalana nataony sy ny halatra nisy tamin’ny asa notanterahany. Ny Vondrona Erôpeanina dia ao anatin’ny vondrona miaradia sy miaramiasa amin’ny banky iraisam-pirenena. Koa nahoana ary no i COLAS indray no mbola nahazo ny tsenam-barotra nefa orinasa efa voasazy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena? Misy zavatra tsy dia mazava loatra ao? Manontany tena ny mpanaraka ny vaovao iraisam-pirenena na mbola mitohy na tapaka ny fifanarahana iraisam-pirenena amin’ny Vondrona Erôpeanina sy ny banky iraisam-pirenena ary ny firenena Malagasy eo anatrehan’ny fampiharana ny sazy hoan’ny COLAS izao?

Maro ny zavatra tsy mazava eto amin’ity firenena ity ka mila fanazavana  izany.

Randriambe Jesy Rabelaolao

Lire aussi