La Gazette de la grande ile

Fifidianana ben’ny tanàna tsy vita : Avereno ny volan’ireo kandida

Publié le 24 juin 2022

Maro ny kaomina tsy mbola manana ben’ny tanàna nateraky ny fifidianana tamin’ny 2019 amin’izao fotoana. Misy ny kaomina tsy nisy fifidianana satria tsy nisy kandida nifaninana. Ao kosa ireo nisy mpifaninana fa tsy nankatoavin’ny Fitsarana misahana ny ady ifanolanana amin’ny fanjakana (Tribunal administratif = TA) ny vokatra ka hoe averina na nofoanan’ny  Fitsarana tampony eo anivon’ny Filankevi-panjakana (Conseil d’Etat) ny didy navoakan’ny Fitsarana misahana ny ady ifanolanana amin’ny fanjakana (TA) izay namaritra ny kandida lany tamin’iny fifidianana iny.

Raha ny lalànany dia tokony naverina ny fifidianana tamin’ireny kaomina ireny ary toraka izany koa ireo kaomina tsy nisian’ny fifidianana. Ny governemanta izay tokony mamoaka ny didim-panjakana manaika ny fanatanteranhana ny famerenana ny fifidianana anefa variana tamin-javatra hafa, ka dia tsy fantatra intsony izay fitantanana ny raharaham-bahoaka amin’ireny kaomina ireny amin’izao fotoana. Ny sasany dia re fa ny ben’ny tanàna talohan’ny fifidianana ihany no mbola mitantana ao… satria hoe « naman’ny tonian’ny distrika ». Ny sasany dia olona notendren’ny fanjakana (delegasiona manokana), ary ny maro dia toa ilay kandida tsy lanim-bahoaka fa nambaran’ny fitsarana « TA » fa lany no mitantana azy.

Raha ny tsikaritra dia mety tsy ho azo eritreretina intsony ny hanatanterahana ny fifidianana manokana (elections partielles) amin’ireny kaomina ireny fa hiandry ny fotoam-pifidianana ankapobeny. Ny antony dia ho tapitra amin’io taona 2023 io koa ny fotoam-piasan’ireo ben’ny tanàna voafidy tamin’ny 2019 ireo.

Eo anatrehan’izany, mitaky ny hanoneran’ny fanjakana ny lany tamin’ireny fifidianana ireny sy ny anto-bola nasaina narotsany ireo kandida nifaninana nofidiana tamin’iny fifidianana iny.

Olana iray sedrain’ny fitondrana ankehitriny indray koa izany io fitakiana io. Na kely ihany aza anefa ny vola mety takian’izany fepetra izany dia azo antoka fa hampanahirana ny fitondram-panjakana ary mety hanentsenan-dry zareo tadiny mihitsy aza.

Dia ahoana sy manakory moa amin’izany ny antsoina hoe « rariny sy hitsiny ary lalànany » ?

Tsimba

Lire aussi