La Gazette de la grande ile

AKOM-BAOVAO SAMIHAFA

Publié le 28 juin 2022

CEPE  Atsimondrano

Nitombo 1,94% ny voka-panadinana

Vokatra miabo hatrany ny taham-pahafaham-panadinana ho an’ny fari-piadidiam-pampianarana (Cisco) tao Atsimondrano  tamin’ity taona 2022 ity. Nitombo 1,94 % izany, ka nahatratra 81,63 ireo mpiadina niatrika fanadianana cepe ny herinandro lasa teo. Teo amin’ny 79,69 % ny taham-pahafaham-panadinana tamin’ny taona 2021.

Ho an’ny Cisco Avaradrano kosa dia latsaka 2,40 ny tahan’ireo afa-panadinana raha nahatratra  85% izany ny taona 2021. Nidina hatrany amin’ny 82,60% tamin’ity taom-pampianarana 2021- 2022 ity.

Ny tany amin’ny faritra, dia tao anatin’ny fari-piadidiam-pampianarana ao Morondava, nahitana 84% ny tahan’ny voka-pahafahana tany. Nisy ireo mpiadina Cepe tao amin’ny LPCIC, izay  nahazo naoty ambony  indrindra , dia nahatratra 19, 25 izany. Asa mba isan’izany ve ny naoty azon’ireo mpiadina avy amin’ny mpitsara taratasim-panadinana teto amin’ny faritra Analamanga.

Mpampianatra mpikaroka

Hamelabelatra ny raharaha martsa 47

Ny ao amin’ny Akademiam-pirenena malagasy , dia manomana famelabelaran-kevitra momba ny raharaha 29 martsa 1947, noho ny fanamarihana ny faha 75 taonan’ny raharaha tamin’izany. Izany dia hampisehoana ny vokam-pikarohana nataon’ireo mpampianatra mpikaroka toa ny profesora Rabearimanana Lucile sy  Rakotoariseheno Ramisandrazana. Ny famelabelarana dia hotanterahana amin’ny alakamisy 30 jona 2022 tontolo andro ao amin’ ny efitrano A misy ny Akademiam-pirenena ao Tsimbazaza.

Nangonin’i Soarak

Lire aussi