La Gazette de la grande ile

Hajo Andrianainarivelo : Mpihatsaravelatsihy

Publié le 28 juin 2022

Firy taona naha minisitra azy i Hajo Andrianainarivelo teo amin’ny fitondrana nifandimby izay. Hatramin’ny fotoana farany tsy naha minisitra azy teo intsony, nisy ve ny nisongadina  sa maro tsy tambo isaina ny zava-bita ?. Ekena  ny zava-bita, saingy aza mihatsaravelatsihy androany na rahampitso,  ka lasa nahasahy mitsikera ny fitondram-panjakana ankehitriny. Niara- nipasoka ny tsara sy ny ratsy tao avokoa ange na ny mpitondra na ny tenany teo aloha. Koa rehefa nivoaka ny vala ve dia sanatria toa ahatahorana ny hanoto ny filohampierenena sy ny governemanta mijoro. Tsy niloa-bava mihitsy nandritra ny taona maro izay, ary nalaza ho akaiky ny filohampirenena mihitsy aza. « Koa ankehitriny dia milaza mahita ary maneho hevitra mivantana, na milaza an-kolaka ny tsy mety ataon’ny fitondram-panjakana ? sa rehefa very seza dia mahay mitanisa fa miaina anaty maizina am-pototry ny mazava ny vahoaka malagasy.

Taratra ankehitriny, rehefa tsy nahazo ny toerana sahaza azy ny tenany ny alahady 26 jona 2022 teo Mahamasina, araka ny fandaminana avy amin’ny Arofenitra, dia nivoaka tamin’ny fahanginana ka lasa nahatsapa ihany koa ny mbola hiposahan’ny masoandro vaovao sy ny lanitra manga ary ny hialan’ny zavona eo an-tampo-dohan’ny malagasy».

Rehefa tsy voatendry minisitra intsony dia tokony manana fanetren-tena na aiza toerana nametrahana na iza teo amin’ny toerany. Mibaribary fa seza sy  voninahitra no tao an-dohan’ity minisitra ity fa tsy dia ilay tena mahasoa ny vahoaka sy ny firenena malagasy. Lasa nampitovy lenta amin’ireo mpanohitra izay milalao politika politisiana ny tenan’i Hajo Andrianainarivelo ankehitriny. Marary tokoa izany very seza, very tombontsoa ary nihintsam-boninahitra izany.

Tokony hahalala onina ny tompon’andraikim-panjakana noesorina teo amin’ny toerana , fa tsy mivovo miezaka ny manadio tena hatrany rehefa tsy eo amin’ny toerana intsony. Matoa noesorina teo amin’ny toerana dia mila mahatsapa fa mety tsy nahafa-po ny filohampirenena na ny praiminisitra ny zava-bita notakiana na inona vato misakana na inona fampandrosoana tsy maintsy apetraka, satria an’ny vahoaka malagasy ity firenena ity fa tsy an’olom-bitsy akory. Am-bava homana am-po mieritra e.

Soarak

Lire aussi