La Gazette de la grande ile

Patrick Rajoelina : Manala baraka ny malagasy

Publié le 29 juin 2022

Minisitra malagasy nisahana ny raharaham-bahiny sady lehiben’ny diplaomasia teo anelanelan’ny 15 aogositra 2021 ka hatramin’ny volana martsa 2022 i Patrick Rajoelina. Ny nampisongadina an’ity minisitra teo aloha ity voalohany indrindra raha vao voatendry minisitra izy dia ny tsy fahaizany miteny malagasy. Taty aoriana moa dia niaiky ny lehilahy fa « safiotra » na « metisy ». Talohan’ny nisaoran’i Andry Rajoelina azy ka tsy nitanana azy ho minisitra intsony dia niparitaka tamin’ny tambajotra ara-tsosialy ny horonam-peo nirakitra ny resaka nifanaovany tamin’olona, izay feno teny ratsy mamoafady. Mifangaro ny teny malagasy sy teny frantsay tao anatin’io horonam-peo io, fa ny teny malagasy tena hainy tamin’izany dia teny ratsy mamoafady.

Fa isan’ny nambarany tamin’ny olona akaiky azy koa ny hoe « ny tenany dia sady manam-bady vehivavy no manambady lehilahy ». Loza !

Teo ankilan’izany rehetra izany, akory ny hatairan’ny maro raha hitan’ny betsaka nandray anjara tamin’ny fihetsiketsehana an-dalambe tany Frantsa i Patrick Rajoelina, ary naka sary ny tenany (selfie) teo anoloan’ny mpandray anjara rehetra. Tsy inona io fihetsiketsehana an-dalambe io fa ny niombonan’ny lehilahy manambady lehilahy na vehivavy manambady vehivavy tany an-toerana »­.

Tena nireharehan’i Patrick Rajoelina mihitsy ny fandraisany anjara tamin’izany ary izy no nanaparitaka ny sary tamin’ny tambajotra ara-tsosialy. Tena afa-baraka ny malagasy e.

Raha ny fahatsinjovan’ny malagasy maro azy dia i Patrick Rajoelina no olona isan’ny fitaovan’ny fikambanamben’ny vondron’ny lehilahy manambady lehilahy sy vehivavy manam-bady vehivavy hampiditra io kolotsaina io eto ka hampiasa volabe mba hampandaniana ny lalàna manome alalana izany eto.

Loza.

Dia ahoana ny hanekena izany, raha mbola malagasy mihevi-tena fa ikorianan’ny ra malagasy ?

Tsimba

Lire aussi