La Gazette de la grande ile

Asa vaventy : Arirariran’ny Fanjakana ireo orinasa madinika

Publié le 29 juin 2022

Tonga nanao fihetsiketsehana teny Antaninarenina, omaly, ny solontenan’ireo orinasa madinika mpisehatra amin’ny asa vaventy izay nampanaovin’ny Fanjakana asa ka tsy mbola naharay ny volany mandrak’ity ny androany. Tsiahivina efa tamin’ny taona 2020 no vita ny asa nampandraiketin’azy ireo, tao anatin’izany ny fanamboarana sy fikojakojana lalana ary fananganana fotodrafitrasam-panjakana eran’ny Nosy. Miisa 230 ireo orinasa voakasika amin’izany, ireto farany izay mahatsapa ho atao tsinontsinona sy arirariran’ny fitondram-panjakana fotsiny tao anatin’ny roa taona.

Nosafidian’ny solontenan’ireto orinasa madinika ireto moa ny teny Antaninarenina nanaovana ny fihetsiketsehana satria ny filoham-pirenena mihintsy no anaovan’izy ireo antso avo mba hijery akaiky ity raharaha ity. Efa tsy voaisa intsony ny fitakiana nataon’izy ireo teo anivon’ny ministera tompon’andraikitra, saingy tsy nisy vokany aloha hatreto. « Efa nanantona ny tompon’andraikitra eo anivon’ny ministeran’ny asa vaventy foana izahay ary nilaza izy ireo fa efa vonona ao amin’ny tahirimbolam-panjakana ny vola. Rehefa tonga tao amin’ny tahirimbolam-panjakana indray anefa izahay dia nilaza ny tompon’andraikitra tao fa mbola miandry ny fanapahan-kevitry ny filoham-pirenena. Noho izany dia nangataka fihaonana teo anivon’ny fiadidiana ny repoblika izahay kanefa mandrak’ity ny androany tsy mbola noraisina mihintsy », hoy i Abdoul mpitondra tenin’ireo tonga nanao fihetsiketsehana teny Antaninarenina, omaly.

Marihana fa raha ny tokony ho izy dia afaka 15 andro aorian’ny fahavitan’ny asa no aloan’ny Fanjakana ny volan’ireo orinasa, iray volana raha ela indrindra. Tany amboalohany, izany hoe tamin’ny taona 2020 dia nilaza ny teo anivon’ny ministeran’ny asa vaventy fa mbola hisy ny fitsirihana sy fanadihadiana (audit) hatao satria misy amin’ireo orinasa no tsy nahavita amin’ny atsakany sy andavany ny asa nampandraiketana azy ireo. Efa tamin’ny taon-dasa anefa no vita tanteraka ny fitsirihana fa tsy mbola nisy ny fandoavam-bola mandrak’ity ny androany. Nilaza moa ireo tonga nitokana teny Antaninarenina, omaly, fa tokony aloan’ny Fanjakana aloha ny volan’ireo orinasa tena nahavita ny asany satria hita tao anatin’ny fitsirihana efa natao tamin’ny taon-dasa izany ary efa eo am-pelatanan’ny filoham-pirenena ny atontan-taratasy rehetra.

F. Tsihiavonana

Lire aussi