La Gazette de la grande ile

Jirama 67ha : Tratran’ny delestazy

Publié le 29 juin 2022

Fahasorenana tsy nisy ohatr’izany ny an’ireo mpanjifa tonga nandoa vola teny amin’ny biraon’ny Jirama eny 67 ha, omaly maraina. Tapaka mantsy ny herinaratra tao amin’io biraon’ny Jirama io ka natao sora-tanana daholo ny tapakila naharaisana (reçu) nomena ny mpanjifa nahaloa vola noho ny solosaina tsy mandeha. Niteraka filaharambe anefa izany ary ora iray mahery no lanin’ny mpanjifa iray vao vita ny fandoavam-bola.

Mazava ho azy fa tsy nahafaly ny mpanjifa mihintsy izany trangan-javatra izany satria ny delestazy efa miteraka fahasorenana isan’andro, ary rehefa handoa vola koa dia mbola lany fotoana amin’ny filaharambe. Mahagaga ihany moa ity tranga niseho teny amin’ny biraon’ny Jirama 67 ha ity satria fantatr’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny orinasa tsara fa misy mpanjifa mandoa vola foana ao kanefa notapahana ny herinaratra. Rehefa natao ihany izany dia tokony nasiana groupe éléctrogène mampihodina ny birao mba hitsinjovana ireo mpanjifa izay efa ampijalian’ny delestazy lavareny, isan’andro.

Frank. T

Lire aussi