La Gazette de la grande ile

Inty sy Nday

Publié le 29 juin 2022

Mbola ho ela ny fitsinjaram-pahefana eto

Voaresaka hatry ny ela fa ny fitsinjaram-pahefana tena izy no fototry ny fampandrosoana. Izay koa no dikan’ilay hoe « fampandrosoana miainga eny ifotony ».  Tsy afaka hiainga eny ifotony anefa ny fampandrosoana raha mbola ny fitondrana foibe no mangeja ny ampahany betsaka amin’ny vola tokony hiantohana izany fampandrosoana izany. Izay rehetra nanaraka ny fifanatrehan’ny mpikambana ao amin’ny governemanta sy ny depiote omaly dia samy nahatsapa fa mbola ho lavitra ny tena fitsinjaram-pahefana eto Madagasikara.

Rehefa miresaka fitsinjaram-pahefana isika dia singa telo, raha kely indrindra no miantoka izany. Ny voalohany dia ny fahefana hanapa-kevitra momba ny fampivoarana ilay rafitra (Faritra na distrika na kaomina na fokontany). Izany hoe ny vahoaka ao anatin’ny rafitra tsirairay no tompon’ny fahefana amin’ny fanapahan-kevitra rehetra itantanana ilay rafitra. Misy solontenan’ny vahoaka izay fidiany amin’izany.

Ny singa faharoa dia ny fahefana ara-bola. Malaza tsy ihinanana toa lovian-tsahona ny fitsinjaram-pahefana raha toa ka tsy misy akory ny vola iasana sy ihodinan’ilay rafitra. Raha ny marina, ampaham-bola miditra any amin’ny fanjakana foibe no miodina sy tsinjaraina hiasan’ny rafitry ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Ny loharanom-bola ao anatin’ilay rafitra (fambolena, fiompiana, harena ankibon’ny tany…) dia io rafitra io no misitraka sy mitantana azy fa ampahany ihany no miakatra any amin’ny fanjakana foibe.

Ny singa fahatelo dia fitsinjaram-pahefana amin’ny lafiny teknika sy ny fahaiza-manao. Io teboka io dia manery ny fitondrana foibe hanaparitaka any amin’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ny teknisiana rehetra mba hiantoka ny fampivoarana sy ny fampandrosoana ilay rafitra.

Tsy misy to anefa ireo teboka ireo na iray aza, ary vao mainka nanamafy ny fahakelezan’ny finoan’ny maro ny fanazavana nentin’ny governemanta omaly teo anoloan’ny solombavambahoaka. Aiza ve ka vola 2.000 tapitrisa ariary ny vola omena ny faritra hanaovana fotodrafitrasa. Tsy mahagaga raha zara fa mahavita lalana rary vato roa kilaometatra sy fandravonana lalan-tany ny Faritra, nefa distrika firy no ao anatiny. 420 Tapitrisa ariary monja no omen’ny governemanta hampandehanan-draharaha ho an’ny Faritra. Mbola lavitry ny afo ny kitay e. Indrindra raha mitaha amin’ny fidangan’ny vidim-piainana amin’izao fotoana. Ny karaman’ny mpiasan’ny Faritra, ny kojakoja iasana… voatery miantoka taratasy ny vahoaka raha mila raharaha eny.

Ho an’ny Distrika koa dia varifitoventy ny vola mba omen’ny governemanta iasany. 250 Tapitrisa ariary monja, nefa fotodrafitrasa maro no sahanin’ny Distrika amin’ny resaka fampandrosoana. Na ny sekoly fanabeazana fototra ao aza ve ho voakojakoja amin’izany ?

Ny kaomina moa dia tena mampahonena fa ilay 15 tapitrisa ariary hatrizay dia mba nakarina ho 30 tapitrisa ariary. Na ny tetik’asa fanadiovana ao anivon’ny kaomina sy ny famafana ny arabe aza ve ho ampy an’izany amin’izao vaninandro izao ?

Tsy hasiana resa-be fa aleo ny vahoaka no hitsara e ! Mbola tsindrianay hatrany fa raha manana finiavana politika hametraka politikam-pirenena matotra momba ny harem-pirenena ankibon’ny tany sy ny andranomasina eto ny fanjakana, ho maivana ny fiantsorohana izay vola hiasan’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ary tena ho azo antoka ny fampandrosoana miainga eny ifotony.

Tohanana

Lire aussi